• Lasa rivo-doza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny nosy ity rivo-doza ity amin'ny zoma izao...
  • Nanaitra ny maro ny vaovao navoakan'ny anabavin'Itompokolahy Richard Ramanambitana, PDS an'Antananarivo teo aloha. Nopoizinina no nahafaty azy, hoy izy, omaly hariva tamin'ny tambajotra-tserasera...
  • 2 ora isan'andro sisa amin'izao no mandeha ny herinaratry ny JIRAMA ao tampon-tanànan'i Manakara. Efa 2 volana izao no miaina izao delestazy goavam-be izao ny mponina any an-toerana...
  • Miverina miatrika fitsaràna manomboka androany ny Praiministra Israelianina am-perin'asa, izay henjehina amin'ny resaka kolikoly sy fanaparam-pahefana, ingahy Benjamin Netanyahou...

  • Tapitra tamin'ny misasak'alina teo ny fahafaha-manao fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna manerana ny nosy. Miditra anatin'ny "fahanginana ara-pifidianana" isika anio...
  • Tsy ara-dalàna ny naneken'ny CENI ireo lehiben'ny fokontany afaka nanangona anaran'olona sy nangataka "ordonnance" teny amin'ny Fitsaràna, hoy ny KMF/Cnoe...
  • Notsipahan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tarehimarika nivoaka momba ny laharan'i Madagasikara amin'ny tahan'ny fahantrana. Ny antontan'isan'ny Banky iraisam-pirenena ihany no loharanom-baovao marina hoy izy...
  • Nampiato ireo fandaharan'asa fanampiana rehetra an'i Géorgie i Royaume-Uni. Atnon'izany ny toe-draharaha pôlitika misy any amin'ity firenena ity...

  • Efa misy ireo rantsa-mangaikan'ny CENI eny amin'ny Distrika no niroso tamin'ny fizarana ireo fitaovana ampiasaina amin'ny fifidianana, androany...
  • Tsy azo ekena, rehefa tsy voalazan'ny lalàna, ny naneken'ny CENI ireo Sefo Fokontany nanangona anaran'olona sy nangataka “ordonnance” teny amin'ny Fitsarana...
  • Hitohy ny fanatsarana sy ny fikojakojana ny foto-drafitrasa mba ho tombon-tsoan'ny mponina, hoy ny Governoran'ny Faritra Anosy, Vohary Rakotovelomanantsoa...

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...

13 febroary — Teraka tamin'ny taona 1260 tao Ornacieux (Isère) i Béatrice. Ny taona 1273 izy no niditra tao amin'ny fikambanan-drelijiozy nantsoina hoe "Chartreuse de Parménie". Taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina tao Eymeux izy.

12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.

11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

10 febroary — Anabavin'i Masindahy Benoît avy any Nursie i Scholastique, toa hoe kambana mihitsy aza izy mianadahy ireo. Teraka ny taona 480 izy ary efa hatramin'ny fahazazany izy no nanoka-tena ho an'Andriamanitra. Taty aoriana dia niditra tao amin'ny trano ftiokana-monina ho an'ny vehivavy izy.

09 febroary — Raha araka ny fitantaran'i Masindahy Denys, eveka tao Alexandrie, i Apolline dia martiry tamin'ny taona 249, fotana nanjakan'ny Amperora Philippe l'Arabe izay nanenjika fatratra ny kristianina. Tamin'izany fotoana izany, nisy fifanjevona ka nasaina nivoaka ny tranony avokoa ny kristianina rehetra. Novonoina izy ireo rehefa avy nanatrika ny fandrobana ny fananany.

08 febroary — I Jérôme Emilien dia teraka tao Vénétie ny taona 1481 ary nodimandry ny 08 febroary 1537 tao Somasque Lombardie. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana avo razana sy nanan-karena i Jérôme Emilien. Tovolahy lian'ady sy ratsy fitondran-tena tokoa teo aloha, miaramila tao amin'ny tafik'i Vénétie mantsy izy tamin'izany.

07 febroary — Zanak'i Masindahy Philippe i Masimbavy Eugénie, virjiny romana maty martiry izy tamin'ny andron'ny Amperora Valérien tamin'ny taona 257. Araka ny tantara dia teo amin'ny faha-16 taonany izy dia efa nahavaky ireo haisoratra grika sy latina ary nalaza tamin'ny hatsara-tarehy tao an-tanana.

I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...