♦ Mahantra amoron'ny harena ny ankamaroan'ny Malagasy. Olom-bitsy koa no misitraka ny fitrandrahana ireo harena an-kibon'ny tany, izay hihazakazahan'ny firenena mpitady tombotsoa, hoy ny fanambaran'ny "Justice et Paix"... ♦ Miseho lany indray ny tsy fitovian-kevitra eo anivon'ny samy fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona (CNIDH)... ♦ Hisokatra ho an'ny besinimaro manomboka anio zoma eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny "Andron'ny seha-pamokarana eto an-toerana"...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...