♦ Mahantra amoron'ny harena ny ankamaroan'ny Malagasy. Olom-bitsy koa no misitraka ny fitrandrahana ireo harena an-kibon'ny tany, izay hihazakazahan'ny firenena mpitady tombotsoa, hoy ny fanambaran'ny "Justice et Paix"... ♦ Miseho lany indray ny tsy fitovian-kevitra eo anivon'ny samy fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona (CNIDH)... ♦ Hisokatra ho an'ny besinimaro manomboka anio zoma eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny "Andron'ny seha-pamokarana eto an-toerana"...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...