♦Hotokanana mandritra ny dian'ny Filohan'ny Repoblika ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny digy Hiarovana ny tanànan'i Toliara amin'ny tondra-drano. Natao tao Toliara omaly ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna manitsy ny andininy sasantsasany amin'ny lalàna nivoaka ny taona 1960 mifehy ny halatr'omby. Mihamafy ny sazy ho an'ireo tratra mangalatra omby... ♦ Nahiditra am-ponja eny Antanimora alina ireo olona miisa 3 voarohirohy tamin'ny famonoana an'i Raissa, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ; vehivavy 68 taona ny iray ary ankizilahy 16 taona kosa ny roa hafa...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...