♦Tokony hamafisina ny fampitàna ny tantaram-pirenena amin'ny taranaka faramandimby. Mampalahelo hoy Profesora Ralison Roger fa maty momoka hatrany ny ankamaron'ny tolom-bahoaka nisy teto Madagasikara... ♦ Hamafisina ny ady atao amin'ny valala eto Madagasikara. Mila mampirindra ny asa atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, miaraka amin'ny FAO sy ny IFVM araky ny nivoitra nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara, omaly... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny herisetra nisesisesy tato ho ato nahazo ny ankizy ny Firaisamonim-pirenena miaro ny ankizy. Tandodomin-doza ny zanakao hoy izy ireo ka Andao hihetsika...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...