♦Tokony hamafisina ny fampitàna ny tantaram-pirenena amin'ny taranaka faramandimby. Mampalahelo hoy Profesora Ralison Roger fa maty momoka hatrany ny ankamaron'ny tolom-bahoaka nisy teto Madagasikara... ♦ Hamafisina ny ady atao amin'ny valala eto Madagasikara. Mila mampirindra ny asa atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, miaraka amin'ny FAO sy ny IFVM araky ny nivoitra nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara, omaly... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny herisetra nisesisesy tato ho ato nahazo ny ankizy ny Firaisamonim-pirenena miaro ny ankizy. Tandodomin-doza ny zanakao hoy izy ireo ka Andao hihetsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...