Nampiombona ny fitopin'ny mason'izao tontolo izao tao anatin'ny andro maromaro ny zava-misy any Vatican. Indreo fa samy niresaka, naneho hevitra, ary indrindra naminavina izay mety ho dimbin'i Md Piera ireo mpiserasera. Tsy ny mpino katôlika ihany fa na ny tany an-tokantrano, hatrany anaty fitateram-bahoaka, toeram-piasana, indrindra ireo mpampiasa tambajotran-tserasera dia voasarika tamin'ny zava-nisy tany an-toerana. "Izao no izy, tsy izany fa izao:..." tonga amin'ilay momba fiteny hoe: Katolika alohan'ny Papa mihitsy.
Moa ve ianao vahiny ka tsy nahalala tokoa fa niroso tamin'ny fifidianana ary efa nahazo ny dimby faha-267-n'i Md Piera anie ny Eglizy Katolika e! Fifidianana tena miavaka satria tsy mba nisy fampielezan-kevitra, na fizarazaran-javatra sy fanomezana vola ho fandresen-dahatra amin'ny fampandaniana kandida iray. Maro ireo nilaza azy ho mahay mamakafaka ny raharaham-pirenena anatiny sy maneran-tany, na koa mpanao gazety malaza eran-tany, no namoaka ny hoe mety ny kardinaly Ranona no mety ho lany Papa eo satria misongadina noho ny antony toy izao... Inona anefa no nitranga? Izay ilay ambaran’Andriamanitra hoe "ny fihevitro tsy fihevitrareo"
Ny mpifidy koa aza anie ka tsy mba nofaritana anaty lisi-pifidianana fa efa fantatra mialoha araka ny lalampanorenan'ny Fiangonana e. Dia raha natao kisarisary amin'ny fifaninanana amin'ny taranja ara-panatanjahantena indray ny Zotram-pifidianana dia nahagaga fa vory lanonana foana ireo mpijery na tsy afa-manatrika mivantana ny lalao tao amin'ny Lasapely Sixtine aza satria mihiboka ireo kardinaly mpifidy. Tsy nisy koa ny fampitàna mivantana amin'izay niseho tao anatiny tao fa loko roa monja: mainty sy fotsy.... dia ampy hamantarana izay niseho sy nampitàna ny vokatra. Mbola mila vavaka sy faharetana no andikan'ny aro fanina ny setroka miloko mainty, izay in-droa nivoaka tamin'ny fantson-tsetroky ny Lasapely Sixtine, ny Alarobia halina sy ny Alakamisy antoandro teo.
Manambara izany fa tsy mbola voafidy ny Papa. Iray maka bahana, roa fiomanana ary telo dia lasa kosa avy eo satria indro ilay setroka fotsy izay nofaritan'ny aro fanina ho setro-pandresena fa nampihoraka ireo nanatri-maso ary nahafaly ireo nahita tamin'ny tambajotra samihafa, ny Alakamisy halina teo. Hafakely ny fankaherezana ireo kardinaly mpifidy miisa 133 satria fanentanana amin'ny vavaka totoafo no lalana nivoahan'ny setroka miloko fotsy.
Namela rahalahy maro afaka hanohy ny asany tokoa i Md Piera ka efa io izany Papa Léon faha-14, dimby faha-267-n’i Md Piera. Efa feno dia feno sahady ny fandaharam-potoanany fa hoentina aminao amin'ny vaovao eto amin’ny RDB hatrany ny ankon'izany. Tanteraka amin'ny Papa tokoa ny hoe: Faladia tokana fa ny adidy marobe satria adidy sahanin'ny Ray Masina ny maha Filoham-panjakana azy: tsy Filohan'ny Eglizy katolika fotsiny koa izy fa manana toerana lehibe koa amin'ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa. Eo indrindra sahady no nahabe resaka ny maro satria hoe teratany amerikana ny Papa, ka hanao ahoana ny mety hifandraisany amin'ny filoha amerikana izay maherihery fihetsika amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra? Ny fifindramonina any Etazonia izay tena tsy eken'ity farany, dia heverina fa hanamaivana izany ny fijerena ny maha olona araka ny teny fanevan'ny Papa Léon faha-14 amin'ny faniriany lalina hanamafy ny fiombonana ao anatin’ny Fiangonana Katolika maneran-tany hoe: "In illo uno unum" na hoe “Ao Amin’ilay Iray, dia iray ihany isika.” Mampahatsiahy ny fiantsoana antsika rehetra ho amin’ny firaisankina, ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpino, na dia samy hafa fiteny, kolontsaina, na fiaviana aza io teny faneva io. Izy io dia entina hilazana koa fa ny fahasamihafana dia tsy sakana, fa harena mitondra amin’ny firaisam-po ao amin’i Kristy. Heverina ho aro fanina lehibe manoloana ny fivoizana ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ankoatra izay ny fomba fijery mitovy eo amin'ny Eglizy katolika sy ny filoha amerikana.
Fa tsetsatsetra tsy aritra kely no hampatsiahivintsika fa nisy karazam-paminaniana, taona maromaro lasa izay, nanambara fa hoe tapitra amin'ny Papa François ny fanendrena Papa sy ny fanjakan’i Vatican. Mbola io anefa izy io MIJORO tsy MIKORO fa manamafy ilay PIERA VATOLAMPY. Ny fanamafisana ny finoana ihany no vao mainka ho aro fanina ho antsika satria miha mafy ny fanenjehana, ny tsikera, ny fanaratsiana. Manampy trotraka izany ny fivoaran'ny teknolojia izay toa manamora ny fanozongozonana ny foto-pisainan'ny kely finoana. Hifarana eto ary aloha ny ARO FANINA fa samia hatrany isika mifaly: HABEMUS PAPAM.