♦ Tsy niandry ela fa androany maraina ihany dia efa nivoaka ny fonjan'Antanimora ny vadin'ny Kôlônely Patrick rakotomamonjy. Ity manambonahitra ity izay enjehina sy karohana noho ny fametrahana cocktail molotov teny Antanimena sy 67ha... ♦ Fanadihadiana tamin'ny mpahay lalàna momba ny baiko nomen'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina hamoahana ilay renim-pianakaviana teny Antanimora iny... ♦ Tsy nomen'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena toerana tao anatin'ny fandaharam-potoana ny lahadinika naroson'ny solombavambahoaka mpanohitra, tamin'ny fivoriana farany teo hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabeniriina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...