♦Notanterahana teny amin'ny Ekar Md François Xavier Antanimena ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François. Natsoin'Andriamanitra hankalaza ny Paka any aminy ny Papa hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz GRYZA... ♦ Hotanterahana anio etsy amin'ny CCI, ety Ivato ny fihaonana an-tapony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI... ♦ Mivahiny eto Madagasikara ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Isany voaresaka tamin'ny fihaonana teny Iavoloha ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy...