Mila samy mianatra mandray andraikitra ny tsirairay fa samy tompon’ity tontolo ity matoa noharin’Andriamanitra, samy manana anjara asa isika rehetra amin’ny hanatsarana ity tany ity na anatin’ny fahasamihafana, izany hoe fanabeazana amin’ny soatoavina sy fahaiza-miaina. Ilaina ny fanohanana ara-tsaina, ara-panahy raha toa ka misy olona efa miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA mba hanome hery azy ahavitany hatramin'ny farany ny fitsaboana izay tokony ataony mba tsy hamindra amin'ny hafa intsony... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...