♦ Sahirana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny fepetra vaovao apetraky ny amerikanina amin'ny entana miditra any aminy ireo tompon'ny orinasa. Nihaona tamin'ny Ministry ny Asam-panjakàna sy ny Asa ary ny Lalàna Sôsialy ny vondron'ny Orinasa Afak'Haba eto Madagasikara... ♦ Miofana amin'ny tsara ho fantatra momba ny teti-bola ny firaisamonim-pirenena malagasy. Ilaina ny mangarahara amin'ny fandrafetana azy raha tiana ny ahazoana vokatra tsara ho an'ny toe-karena sy sôsialy hoy MSIS TATAO... ♦ Miara-miasa amin'ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny fahavitantena ara-tsakafo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...