• Tokony hofoanana ny didim-panjakana ahafahana mivarotra tany amin'ny vahiny, hoy ny RMDM. Miantso ireo Solombavam-bahoaka hanafoana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izy ireo... • Naato vonjy maika ny fampiharana ilay haba 47 % amin'ireo entana ahodrantsinka any Etazonia. Mbola mitohy ny dinika arahan'ny fanjakana sy ireo mpandraharaha, hoy ny Tale Jeneralin'ny Varotra, androany... • Nanao fitokonana ireo mpitatitra amin'ny Bus mampitohy ny Renivohitra sy i Vontovorona androany maraina. Tsy faly amin'ny fandrarana hiasa mialoha ny amin'ny 5 ora maraina izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 10 jolay 2026

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...