Vao nigadona ny volana avrily dia efa nafana ny toe-draharaha tao Andrenivohitr’i Gasikara. Ambony be ny fanantenana fa hiverina araka ny nampanantenain’ny mpitantana azy ny hasin’Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy eo amin’ny lafiny filaminana sy fahadiovana ary fandriam-pahalemana. Telo andro teo no nanomanan’ny ekipan’ny Ben’ny Tanàna ireo mpivarotra amoron-dàlana fa tsy maintsy hirosoana ny famindran-toerana azy ireo mba ahafahana manadio ny toerana, hampalalaka ny làlana ary ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa kasain’ny Kaominina ho tanterahina.

Iza tamin’ireo mpitondra nifandimby tao an-drenivohitra tokoa moa no tsy nanana vina tsara sy paik’ady nentina nanesorana na namongorana mihitsy aza ireo mpivarotra amoron-dàlana fa saika nandamoaka avokoa izany. Antony iray mahatonga izany dia ireo mpivarotra amoron-dàlana hatrany no natao fitaovana politika rehefa akaiky ny fifidianana ka ho tambin’izany ny famelana malalaka azy ireo hiasa amin’ny sehatra tsy ara-dàlana. Izay ilay hoe kaikerin’ny amboho kely tiana na ny andaniny te hametraka ny tenany fa azy ny tanàna ary izy no mpitantana, ankilany ireo milaza azy ho tompon’ny fahefana sy nampindrana izany ka tsy afaka hampiharana lalàna.

Raha ny angom-baovao dia efa tany amin’ny taona 1900 tany no nisian’ny tsena tao Analakely izay nantsoina hoe “Tsenan’Anjoma” tamin’izany. Mifaningotra amin’ny resaka kolotsaina izany noho izy efa tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Niitatra sy nivoatra nanaraka ny toetr’andro izany, niankina tamin’ny tolotra sy ny tinady, ny lafiny toe-karena noho izy hifamezivezen’ny entam-barotra sy ny vola ary ny olona. Tsy nitsaha-nitombo izy ireo ary tsy voafehin’ireo mpitondra nifandimby ka efa mananika ny 2.000 eo ny mpivarotra amoron-dàlana eo Analakely sy ny manodidina ankehitriny. Manana ny fandaharan’asa sy ny rindran-damina ary ny paik’ady entina manala ireo mpivarotra amoron-dàlana tokoa ny mpitantana ankehitriny ary tafiditra tao anatin’ny fandresen-dahatra nentiny ho an’ny mponin’Antananarivo Renivohitra rahateo ny hoe hamerina ny hasin’ny tanàna, ny filaminana, ny fahadiovana ary ny fandriam-pahalemana. Tolo-kevitra isan’ny naroson’ny tompon’andraikitra ohatra ny famindrana toerana ireo mpivarotra any anatin’ny tsena, misy rahateo ireo tsena lehibe maromaro izay naorina sy nandaniam-bola be nefa tsy miasa akory. Nambaran’ny fiadidiana ny Tananan’Antananarivo fa mbola malalaka ny tsena ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay ahitana ny eny amin’ny Esplanade Analakely, Petite Vitesse Isotry, Coum 67Ha, Antaniavo, Behoririka, Bambou Ambilanibe ary Anosy Sénat. Ireo rehetra ireo izay ahitana toerana miisa 1.345. Ny ankamaroan’ireo tsena ireo no nisy namandrika saingy tsy misy mivarotra, lasa ataon’ireo tompon’ny tsena ho fanatobiana entana ny sasany amin’izy ireny fa tsy hivarotan’izy ireo. Fa inona marina izany no tena mahatonga ireo mpivarotra tsy manaiky hiditra anaty tsena? Raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpivarotra dia hoe tsy mahalafo mihitsy izy ireo rehefa anaty efitrano, eny amoron-dàlana hoe maro mpandalo ka na ireo tsy mikasa ny hiantsena aza rehefa mahita ireo entana mirantiranty dia voasarika ihany.

Toa lasa tompony mangataka atiny araka ny fitenenana ilay nilaza ho tompon’ny tanana teo anatrehan’ny hetsi-panoherana nataon’ireo mpivarotra amoron-dàlana. Roa andro mantsy dia niravona ny olana ary ireo tsy mpanara-dàlana indray no nahazo rariny. Toa mangetaheta ambony lakana ihany koa ireo mponina Antananarivo Renivohitra izay efa nanantena fa hiaina anaty fahadiovana sy filaminana ary fandriam-pahalemana amin’izay izany rehefa afaka ireo mpivarotra amoron-dàlana, izay tsy azo lavina fa isan’ny mahatonga ny tanàna haloto, tsy mampirindra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana, fa indrindra ny fisian’ireo tontakely mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery. Ireto farany izay voatondro molotra fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mponina amin’ireo Boriboritany enina mandrafitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra akory fa avy amin’ireo Kaominina manodidina sy ivelan’ny Renivohitra.

Mazava tamin’ireny zava-nisy ireny fa ho sarotra ny hanafoana ny fivarotana amoron-dàlana. Koa inona moa no manakana ny fanovana ny paik’ady? Maro tamin’ireo olom-pirenena tany anatin’ireny tambazotran-tserasera ireny no nanolo-kevitra ho an’ny mpitantana ny tanàna. Hevitra izay hita fa azo raisina sy mitombina ihany, saingy iza amin’ny mpitondra moa no hanisy lanja izany? Maninona tokoa moa raha avadika ny rasa, rehefa tsy resy lahatra hiala eny amoron-dàlana ny mpivarotra, nahoana no tsy apetraka ny arofanina sy ny fanentanana ny olom-pirenena tsy hanjifa eny amoron-dàlana fa any anaty tsena, ahoana no tsy hanaovana fanentanana sy serasera matanjaka ny fandrisihana ny olona hanohana ireo mpivarotra ara-dàlana manofa sy mandoa hetra amin’ny Kaominina? Tsy misy afa-tsy ny fandraisan’andraikitry ny mponin’Antananarivo sy ny mpanjifa irery sisa no hany antenaina hahafoana ny mpivarotra amoron-dalàna. Saika nilavo lefona sy resy tsy miady avokoa mantsy ireo mpitondra nifandimby nikasa hamerina ny hasin’ny tanàna.

Lasa ihany tokoa anefa ny saina mandinika ny zava-misy rehetra: sao lahy misy ambadika ihany anatin’ny tsy fahafahana mikitika ireo mpivarotra amoron-dàlana, mety hampirodana ny fitondrana tokoa ve ny fihenjanana hametraka ny tany tan-dalàna? Ny tsy ara-dalàna indray ve no terena ho manana ny rariny eto amitsika? Ny mpampihatra lalàna indray no milefitra sy manolo-kevitra mivoana amin’ny tokony ho izy. Fijery miabo no mila apetraka sy saintsain’ny tsirairay anatin’ny tsy fisian’ny mpivarotra amoron-dalàna ka atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny ho any ampon’ny mahalala.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...