♦ Fotoana lehibe ampahafantarana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny filoham-panjakàna ao amin'ny COI afaka 3 herinandro hoy Andriamatoa Ramamonjisoa Régis... ♦ Manohana ny fampandehanana ny tetik'asa Fitrandrahana Fasi-Mainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ireo ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina miisa 4 iantefan'ny tetik'asa. Miandry ny fanombohan'ny asa izy ireo... ♦ Manohana ny tantsaha amin'ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Mbola mitohy ny fiofanana arahan'izy 24 mianadahy, mifaninana ho lasa mpandraharaha...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...