♦ Naneho hevitra momba ny zava-nitranga tamin'ny alahady teo, taorian'ny fivorian'ny OMC Reg ny Prefet an'i Toliara. Miantso ny vahoaka ao Toliara hanaja ny lalàna velona sy manan-kery izy. Miantso fifampiresahana sy firaisan-kina eo amin'ny samy vahoaka ny governoran'ny Faritra Atsimo-andrefana... ♦ Tetik'asa Tanamasoandro, tsy ampy ny tatitra ataon'ireo iraky ny fitondrana mamolavola ny tetik'asa hoy ny Ben'ny Tanàna ao Imerintsiatosika... ♦ Hiaro ny teny nataon'ny fitondràna momba ny fanjariantsakafo ny solontenan'i Madagasikara mandray anjara amin'ilay fihaonambe eran-tany momba ny fanjariantsakavo hatao any Paris...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...