Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 11, 18-20)

Izaho hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina.

I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe:

“Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala;
nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
Izaho, tamin’izany,
hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:

‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo!
Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’

Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika;
mamantatra ny soa sy ny fo Izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 7, 2-3. 9bd-10. 11-12)

Ry Tompo Andriamanitro ô, Ianao no ifefeko.

Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko.
Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho:
ndrao izy ho toy ny liona mandrotika,
mamiravira tsy misy mirombaka.

Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo,
sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo.
Valio ny haratsian’ireo ratsy;
ny olo-marina kosa ajoroy
ry Mpandinika ny fo sy ny saina,
ry Andriamanitra marina.

Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra,
ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.
Andriamanitra Mpitsara marina,
tsy mba mitezitra isan’andro

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)

Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?

Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka,
ny sasany nanao hoe:

“Ity tokoa no Ilay Mpaminany”;

ny sasany nanao hoe:

“Ity no Kristy”;

fa hoy kosa ny sasany:

“Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va
fa avy amin’ny taranak’i Davida,
sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida
no hiavian’i Kristy?”

Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy;
saingy tsy nisy sahy nitana Azy.
Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila,
ka nilazan’ireo hoe:

“Ahoana no tsy nitondranareo Azy?”

Fa hoy ny navalin’ny miaramila:

“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.”

Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo:

“Ianareo koa angaha voasolokiny?
Jereo ange raha mba misy loholona
na Farisianina iray akory nino Azy?
Ary raha izay vahoaka foana
tsy mahalala ny Lalàna akory,
dia olona voaozona ireny.”

Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo,
no nanao taminy hoe:

“Moa ny Lalàntsika va manameloka olona
raha tsy efa re aloha ny teniny,
ka fantatra koa izay nataony?”

Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ianao koa ve avy any Galilea?
Diniho dia ho hitanao
fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.”

Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...