Vakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 65, 17-21)
Tsy misy ho re ao intsony na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Indro Aho hahary lanitra vaovao sy tany vaovao,
ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony,
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Aoka hifaly kosa ianareo sy hanan-kafaliana mandrakizay
noho izay efa hoarìko;
fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana,
sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho,
sy ho ravoravo amin’ny vahoakako.
Ka tsy misy ho re ao intsony
na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka
ho fohy andro iainana,
na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny;
fa mbola maty tanora ihany
ny maty amin’ny fahazato taonany,
ary efa zato taona ny mpanota
vao ho tratry ny ozona.
Hanao trano izy, dia izy no honina ao;
hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b)
Deraiko ny Tompo izay nanafaka ahy.
Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
Tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô,
nakarinao avy any an-tSeoly; novelominao aho
izay efa nitsitra tany an-davaka.
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka!
Isaory ny Anarany masina.
Mihelina foana ny havinirany,
maharitra kosa ny fanambinany.
Izaho: hariva mialin-tomany; maraina, velon-kalo!
Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho!
Tompo ô, tahio aho!
Dia navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao!
Evanjely
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 43-54)
Mandehana, fa velona ny zanakao.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea.
Fa araka ny efa voalazany
dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny.
Ary nony tonga tany Galilea Izy,
dia noraisin’ny Galileanina,
satria efa hitany izay rehetra nataony
tany Jerosalema tamin’ny andro fety,
fa tany koa izy ireo tamin’ny fety.
Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy,
tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay.
Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray
nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma,
ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa,
dia nanatona Azy izy
ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo,
dia tsy mba mety mino!”
Ka hoy ilay manamboninahitra taminy:
“Andeha re, Tompoko,
dieny mbola tsy maty ny zanako!”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Modia, fa velona ny zanakao.”
Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy
ka lasa nody.
Nony nandeha izy,
dia notsenain’ny ankiziny
ka nilazany fa velona ny zanany.
Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany,
ka hoy ireo taminy:
“Omaly tamin’ny ora fahafito
no nialan’ny tazo taminy.”
Dia fantatry ny rainy,
fa tamin’izany ora izany indrindra
no nilazan’i Jesoa taminy hoe:
“Velona ny zanakao”,
ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra.
Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa,
rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.