Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 2, 1a. 12-22)

Aoka hohelohintsika amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy.

Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’ireo ratsy fanahy hoe:

“Ifanakony ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
manìny antsika amin’ny fandikantsika ny lalàna
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra
amin’izay nampianarana antsika.
Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy,
ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany.
Faniniana ny hevitsika izy ho antsika
ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;
satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany
ary ny lalany hafahafa.
Araka ny heviny, isika dia faikan-java-maloto foana,
ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto:
ny anjaran’ny marina, torìny ho tsara miafara;
ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho rainy izy.
Aoka ho zahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy,
eo am-pialana amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina,
dia arovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.”

Izany no hevitr’izy ireo;
diso hevitra anefa izy;
fa jamban’ny haratsiany.
Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy,
tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana;
ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 33, 17-18. 19-20. 21 sy 23)

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo.
Ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.

Ny taolany ambenany avokoa,
ka tsy ahatapahana iray akory.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy izay mifefy aminy!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay..

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)

Nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa mbola tsy tonga ny fotoany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea,
satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay.
Kanjo nony lasa ny rahalahiny,
dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy,
saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe:

“Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io,
ka no tsy misy sahy miteny Azy akory?
Sao dia efa fantatry ny loholona kosa
fa io no i Kristy?
Ny niavian’Izy io anefa fantatsika;
fa ny hiavian’i Kristy kosa
tsy misy hahalala rahefa tonga Izy.”

Dia niantso àry i Jesoa
tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly
ka nanao hoe:

“Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako.
Nefa tsy tonga ho Ahy Aho,
fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.
Izaho no mahalala Azy,
satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.”

Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona,
kanefa tsy nisy sahy nitana Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...