Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 32, 7-14)

Ialao ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

“Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava
ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.
Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombany;
nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo,
dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy,
ary nanao hoe:

‘Ry Israely, io no andriamanitrao,
izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.’

Dia hoy indray ny Tompo tamin’i Môizy:

“Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.
Koa ankehitriny avelao Aho,
aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko;
fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.”

Nifona tamin’Andriamanitra Tompony anefa i Môizy ka nanao hoe:

“Nahoana ny fahatezeranao, Tompo ô,
no dia hirehitra amin’ny vahoakanao,
izay navoakanao avy any amin’ny tany Ejipta,
tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?
Nahoana no dia hahazoan’ny Ejipsianina hilaza hoe:

‘Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy,
mba hamono azy any an-tendrombohitra,
ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany.’

Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra;
aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.
Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao
izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny tenanao hoe:

‘Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo
ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany,
ka hanjakany mandrakizay.’

Dia nanenenan’ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 105, 19-20. 21-22. 23)

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombalahy homana ahitra!

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra tany an-dRiakan-jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanohana ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)

Ao ny hiampanga anareo, dia i Môizy izay itokianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Raha Izaho ihany no manambara ny tenako,
tsy marina ny fanambaràko;
fa misy hafa izay manambara Ahy,
ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy.
Naniraka tany amin’i Joany ianareo,
ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambaràna manoatra an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.
Ary ny Ray izay naniraka Ahy
dia Izy indrindra no nanambara Ahy.
Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana,
na nahita ny tarehiny,
sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo,
noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.
Mandinika ny Soratra Masina ianareo,
satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay,
ary ireny indrindra no manambara Ahy;
nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana.
Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona;
fa fantatro ianareo,
fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo.
Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko,
nefa tsy noraisinareo;
raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa,
dia horaisinareo ihany izy.
Hataonareo ahoana kosa moa no fino?
Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo,
fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona!
Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray;
ao no hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo.
Fa raha mba nino an’i Môizy ianareo,
dia hino Ahy koa;
satria nanoratra nanambara Ahy izy.
Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo,
hataonareo ahoana no fino ny teniko?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...