Tsy hanao be lazao na hanao laza masaka ny Arofanina anio, fa hanompana ny matoan-dahatsorany amin’ny trangam-piarahamonina izay tena mampikaikaika ny maro. Misy ve ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara? Samy manana ny hamaritany izany ny tsirairay na dia iaraha-mahalala sy tsy mila omena aza ny valiny.
Na izany aza, tena nanaitra ny maro ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimieran-doholona sady tompon’andraikitry ny filaminana tamin’ny fotoan’androny, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety tany ivelany fa hoe: porofo amin’ny fisian’ny filaminana eto Madagasikara ny fahafahana mivezivezy an-kalalahana tsy misy tahotra na amin’ny andro alina aza. Dia... nametra-panotaniana ny maro hoe: oviana ary taiza ny toerana hahafahana manandrana izany? Ny mifanohitra amin’izany mantsy no re sy hitan’ny maro satria tsy misy andro tsy ahenoana trangana tsy fandriam-pahalemana eto amintsika. Tsy mifidy toerana sy fotoana, fa matory ianao manahy ny ho voatafika, mivoaka ny trano indray toa kaodikaody ihany mijery ny manodidina, eny fa na any anaty fiara fitateram-bahoaka aza. Mody alina izany moa dia efa mipararetra sy mampionon-tena fotsiny mba tsy hifanena amin’ny mpaka kitay. Eny hatramin’ny razana any am-pasana aza tsy mampandry ivohon’ny vato ny velona fa mbola misy mangalatra ihany koa. Dia ho gaga ve ianao raha misy ireo sokajin’olona velon-taraina sy manava-tena fa mahatsiaro tena ho miady irery hatrany amin’ny resaka filaminana! Eny! tena efa very Fanahy mbola velona mihitsy. Mbola olom-boafidy akaiky ny fitondrana ankehitriny koa no milaza fa efa hatrany amin’ny andron’i Jesosy no nisy ny mpangalatra sy mpamono olona. Ho ahilika amin’iza indray àry izany ny fametrahana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana raha izany, fa toa midika mantsy izany fa efa tandra vadin-koditra eo amin’ny fiainan-janak’olombelona izany ny tsy filaminana koa?
Dia nanao jery todika kely ny Arofanina nampitaha ny zava-nisy tao anatin’ny fitondrana roa na telo farany nifandimby teto Madagasikara. Ka tsapa fa nisy hatrany ny fomba amam-panao niverimberina. Na iza na iza tokoa mantsy nitondra sy nitantana teto amin’ny firenena dia eo hatrany ireo hery ivelan’ny fitondrana samy nanao izay ho afany nanao dridran’i Ngilo sy niezaka nanao ho pitikafo ny endriky ny tsy filaminana mba hahafahana manozongozona ny fitondrana. Mandeha noho izany ny kabary ambony vavahady fa hoe misy mpitondra ve eto e? Misy filaminana ve eto e? Dia namaly moramora amin-kalemem-panahy ny Arofanina manao hoe: efa nisy nitondra vahaolana amin’ny fandriam-pahalemana maharitra ve ireo mpitondra nifandimby ô? Kajikajy politika tokoa ny fitadiavan-tseza fa ny sarambabem-bahoaka efa tsy mahita seza hiainany am-pilaminana foana, fa mitaintain-dava amin’ny andavanandrom-piainany. Atrikasa, hetsika manokana, hazalambo... fa toa afon’ampombo daholo ireny ka miredareda am-boalohany fotsiny saingy tsy misy tohiny sy tsy nijanona ho vahaolana maharitra aloha hatramin’izao. Be fiavy sy be midina tokoa ve tsy ho ataon’ny mpitandro ny filaminana rehefa 26 jona ampirantiana izao hery sy fitaovam-piadiana maro karazana sy avo lenta izao, na koa amin’ny fanakanana ny hetsi-pitakiana ataon’ny mpianatra, fikambanana, sendika, fa indrindra moa hetsiky ny mpanao politika! Dia alaim-panahy sy miteny irery eo ny rehetra hoe: raha izao mpitandro ny filaminana zavon-tany hary fitaovam-piadiana izao no miparitaka sy manao ny asany ara-dalàna eny ifotony, dia ho voahaja tokoa ny anarany hoe mpitandro ny filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany. Ny zava-misy aza anefa toa sanatria zary mpitandro ny filaminana miaro ny seza sy ny fihinanany. Ankoatra izay, misy ireo saonjo iray lohasaha ka miray tendro amin’ny mpanao ratsy sy ireo jiolahy ambony latabatra, hany ka tsy ireo olontsotra enjehina amin’ny fanaovana ny fanamiany indray no enjehina, fa izy ireo manao ny fanamiana maha mpitandro ny filaminana, nefa mpamadika tsy azo ianteherana. Na dia miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna aza izy ireo, dia mialoalo mameno tanàna koa ny mpanao ratsy. Fa izao: tena hiandry sy hanantena be fahatany azy ireny amin’ny famerenena sy fampanjakana ny filaminana tokoa ve isika? Arofanina lehibe ny fahavononana handray ny andraikitra tandrify amin’ny tena. Ao ambadiky ny hoe: “NAMANAO NY ZANDARY sy ny POLISY MANAKAIKY VAHOAKA” mantsy ny fiandrasan’izy ireo fifanomezan-tanana amin’ny fitandroana ny filaminana manerana ny nosy.