Alarobia 09 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 20-26 — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Talata 08 septambra 2020 — Ny nahaterahan'i Masina Maria — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-16. 18-23 — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana : dia i Kristy Andriamanitsika.
Alatsinainy 07 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 6-11 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.
02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
Alahady 06 septambra 2020 — Alahady faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20 — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Sabotsy 05 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5 — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
01 septambra — Teraka tamin’ny faraparan’ny taonjato fahafito tao Athènes ka nankany Provence mba hanokatra trano fitokana-monina i Gilles izay nanandray ny anarana hoe Gilles du Gard, ary nodimandry tao izy ny toana 710. Ny lalana nandevenana azy dia lalana mankany amin’ny Saint-Jacques-de-Compostelle.
Zoma 04 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Alakamisy 03 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11 — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Alarobia 02 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Talata 01 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco