Sabotsy 05 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5 — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

0 : 00

Mitohy ihany ny tsikera ataon’ireo farisianina sasany amin’i Jesoa Kristy. Eto dia mahakasika ny fiotazam-bary amin’ny andro sabata izay nataon’ireo mpianany no nanakianan’izy ireo azy.

Nazavain’i Jesoa tamin’izy ireo àry ny momba ny sabata, izay mifototra tao amin’ny Testamenta Taloha mahakasika an’i Davida Mpanjaka sy ireo mpanara-dia azy. Ambaran’i Jesoa amin’izany àry fa ny sabata dia nataon’Andriamanitra mba ho tombotsoan’ny olombelona : ny fakana aina sy ny fiderana an’Izy Andriamanitra ihany. Noho izany, dia ambony noho ny sabata ny maha olona. Fa ny fahafatarantsika an’izany atao hoe sabata izany dia tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny hoe fialana sasatra fa indrindra koa hoe fiderana an’Izy Andriamanitra. Ho an’i Jody mantsy, dia mba hialana sasatra amin’ny andro sabata dia mba hahafahana midera an’Andriamanitra irery ihany. Avela daholo ny asa aman-draharaha, hany ka ny hanina hohanina amin’ny andro sabata ary dia ahandroina mialoha io andro io. Ny fanaovana zavatra ankoatra izay dia midika ho tsy fitandremana ny andro sabata ho azy ireo, toy ny nataon’ireto mpianatr’i Jesoa ireto.

Navalin’i Jesoa àry fa "ny sabata dia natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny sabata" (Mk 2, 27). Ary namporisika mihitsy àry Izy fa ny sabata dia ny fanaovana soa fa tsy ratsy ary ny mamonjy aina fa tsy ny mamono (Mk 3, 4). Ka eto, ny fiotazam-bary izay nataon’ireo mpianany dia famonjena aina.

Ny zanak’olona tokoa no tompon’ny sabata satria Izy dia Andriamanitra, ka manome antsika ny fomba hiainana amin’izany ao anatin’ny toerana sy ny fotoana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...