Talata 01 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka  4, 31-37 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

0 : 00

Hitantsika omaly àry fa ny asa voalohany nanirahan’ny Ray an’i Jesoa Zanany dia ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra izany hoe ny Vaovao Mahafaly. Ary mbola tohizin’ny Eglizy izany ankehitriny. Ka ny fanasitranana sy ny fandroahana fanahy maloto nataony dia fanatanterahana ilay Vaovao Mahafaly toriany. Mahafaly ny olona satria afaka amin’ny fanandevozan’ny aretina sy ny fanahy ratsy. Misy hery tokoa ny tenin’i Jesoa satria mitondra ny olona makeny amin’ny tena fahafahana.

Eto àry i Jesoa dia mampianatra tao amin’ny sinagoga tamin’ny andro sabata ary tojo lehilahy iray azon’ny fanahy maloto. Ity farany izay niaiky fa i Jesoa no Masin’Andriamanitra. Anisan’ny fanatanterahana ny Vaovao Mahafaly torian’i Jesoa ny fandrohana fanahy maloto ka dia nandidy azy ireo hiala amin’ity lehilahy ity Izy. Tena Vaovao Mahafaly ho antsika ihany koa izany satria mampiseho ny faharesen’ny fanahy ratsy sy hoe i Jesoa dia mandresy foana. Eo amin’ny fiainantsika àry, dia betsaka ny fakam-panahy, ary mila miantso ny anaran’i Jesoa mpandresy ny ratsy isika ahafahantsika mandresy ihany koa.

Ny vavaka àry, araka izany, no fitaovana mahomby indrindra hahafahantsika mandresy ny ratsy : vavaka feno fahatokisana an’Andriamanitra sy feno fanetren-tena. Io no lalam-pahasoavana sy lalam-pibebahana makany amin’ny fandresena. Aoka àry ho tanteraka ao amin’ny fiainantsika ilay vavaka nampianarin’ny Tompo manao hoe : "Aza avela ho azo ny fitaoman’ny ratsy izahay".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...