Talata 08 septambra 2020 — Ny nahaterahan'i Masina Maria — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-16. 18-23 — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana : dia i Kristy Andriamanitsika.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mankalaza ny nahaterahan’i Maria Virjiny ny Eglizy androany. Ny andro androany izany no anniversairen’i Masina Maria. Arahabaina manokana miaraka amin’i Masina Maria Virjiny ireo mitsingerina androany ny nahaterahany. Zava-dehibe noho izany ny tsingerin-taona nahaterahana ho antsika kristianina ka iangaviana antsika mba hitondra azy am-bavaka mandrakariva ary hanankina azy amin’Andriamanitra nanome antsika ny aina mahavelona antsika.

Ny Evanjely aroson’ny Eglizy ho antsika androany, Evanjelin’i Masindahy Matio, dia milazalaza ny firazanan’i Jesoa Kristy, izany hoe ireo razambe niandohan’i Jesoa. Fanombohan’ny Evanjelin’i Masindahy Maio io, entina ilazana amintsika fa mialohan’ny hitantarany ny momba an’i Jesoa sy ny fiainany, i Matio dia namariparitra ny niaviany aloha. Anisan’ny zava-dehibe ho antsika izany fototr’olona izany, indrindra raha misy zatovo iray hanambady. Manam-pototra mazava noho izany i Jesoa ary tafiditra ao anatin’ireo razambe tokony ipoirany na ny ray nitaiza azy, dia i Josefa, na ny reny niteraka azy, dia i Maria. Manamafy io voalazan’ny tapany voalohany amin’ny Evanjely naroso teo io moa ny tantara mamariparitra an’i Maria Virjiny ankalazaina androany : zanak’i Masindahy Joachim sy I Masimbavy Anne izy. I Masindahy Joachim dia avy amin’ny fianakavian’i Davida Mpanjaka, ary I Masimbavy Anne reniny dia avy amin’ny Aarôna mpisorona. Hita araka izany fa tafaray tao amin’i Maria ny fiandrianan’ny mpanjaka sy ny fiambonian’ny mpisorona. Tsy mahagaga raha izy no nofidian’Andriamanitra ho renin’ny Zanany, reny hiteraka ilay Mpanjaka sady Mpisorona mandrakizay. Mazava tsara manomboka izao izany na ny fototra nipoiran’i Maria renin’i Jesoa na i Jesoa zanak’Andriamanitra.

Ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Evanjely norenesintsika teo kosa dia maneho ireo toetra roa lehibe tsy manam-paharoa mampiavaka ity renin’Andriamanitra ity amintsika olombelona rehetra :

  • Voalohany dia izy notorontoronina tsy azon-keloka. Io toetra miavaka io no mamaritra avy hatrany ny maha masina azy, satria nifototra tamin’io ny fiarahaban’ny Anjely azy milaza fa izy no ilay feno hasoavana (Lk 1, 28). Notorontoronina tsy azon-keloka izy satria i Jesoa Mpamonjy ny olombelona rehetra no voalaza fa haterany. Izy anefa dia efa feno hasoavana noho izany na tsy nanota aza izy dia misitraka mazava ho azy io famonjena io. Nohamafisiny moa izany maha notorontoronina tsy azo-keloka azy izany raha niseho tamin’i Bernadette tao Lourdes izy ny taona 1858.
  • Faharoa dia ny toetra maha virjiny azy, voatahiry mandrakariva na dia niteraka ny Zanak’Andriamanitra aza izy. Maro ny fampianarana mamaritra izany maha virjiny an’i Masina Maria izany. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia ambaran’i Izaia mazava fa izy no ilay vehivavy virjina hiteraka zazalahy atao hoe Emanoela. Ny fampianarana maro aty amin’ny Testamenta Vaovao, ny Aban’ny Fiangonana, ny Konsily sasany koa manamafy izany.

Renin’Andriamanitra i Maria, Renin’i Kristy, Renin’ny olombelona sady Renin’ny mpino rehetra ihany koa ka aza misalasala mitalaho fahasoavana sy fanampiana amin’ilay Reny fihantahantana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...