Alakamisy 03 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11 — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

0 : 00

Ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy eto dia tao an-tsambo kelin’i Piera. Ity farany moa izay efa fantantsika fa mpanarato. Ka tamin’izay indrindra no nandidian’i Jesoa azy mba handatsaka ny haratony hahazoana hazandrano. Asa izay efa nanavanana sy fanaon’i Piera izany ary fantany fa tsy hahazo na inona na inona ao izy, nefa noho ny tenin’i Jesoa dia nataony ihany izany.

Akory anefa fa dia nahazo hazandrano betsaka izy sy ireo namany. Ny fanarahan’i Piera ny tenin’i Jesoa no antoky ny fahombiazany. Isika ihany koa dia mila manaraka ny tenin’i Jesoa raha te hahomby eo amin’ny fiainana, satria efa ny herin’Izy Andriamanitra mihitsy no miseho. Hitantsika eto fa asa very maina ny an-dry Piera sy ny namany talohan’ny nitenenan’i Jesoa azy ireo satria dia nitoky tamin’ny herin’ny tanany sy ny fahaizany fotsiny. Niaiky ny maha mpanota azy i Piera teo anatrehan’i Jesoa, ary izay no nampiova ny fiainany manontolo. Ny faneken’izy ireo an’i Jesoa mantsy dia mahatonga azy ireo ho mpanarato olona fa tsy hazandrano intsony. Asa izay nankinin’i Jesoa tamin’izy ireo mba hiitaran’ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany. Tsapan’izy ireo anefa fa sarotra lavitra noho ny manarato hazandrano ny manarato olona ka noho izany dia ilàna fahafoizan-tena sy fanarahan-dia tanteraka an’i Jesoa Kristy.

Mankalaza an’i Masindahy Grégoire Lehibe ihany koa ny Eglizy anio. Izy no Papa dimbin’i Masindahy Piera faha-64 tato amin’ny Eglizy. Anisan’ny teny nampitainy tamin’ireo kristianina mandrakariva tamin’izany ny hoe : « Ny tenin’Andriamanitra dia tokony hahazoantsika kristianina sakafom-panahy isan’andro fa tsy tokony hijanona ho fahalalana ara-tsaina fotsiny ihany ». Amin’ny maha dimbin’i Masindahy Piera azy dia manarato olona ihany koa izy mba ho tonga kristianina ny tany Angletera. Masindahy Grégoire Lehibe : mivavaha ho anay !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...