• Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Ahitana izany androany ny any Bestiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro... • Mitady hiverina ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao, hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany noadiadiana teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly... • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohintohina ny asa fanamboarana ny Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka androany...
• Tombanana ho levona an-tanety any amin'ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny 24 ora, ilay rivodoza Faida. Foana avokoa ireo filazana loza voarain'ireo Faritra sy Distrika voakasika teo aloha... • Fanosehana ny olona ho eny an-dalambe ny fandrarana ny fivorian'ny mpanohitra tato ho ato, hoy ny Antoko VAMI. Manahy ny ho avin'ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo... • Mihamaro isa ireo olona voatazona am-ponja amin'ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Lasa fomba ny fanaovan-dratsy ho an'ireo tsy manan-kialofana, mba ahafahana mahita toerana hipetrahana...
• Hiditra anio tolakandro eo anelanelan'i Brickaville sy i Fenoarivo Atsinanana, ilay rivodoza Faida... • Tsy tanteraka ny hetsika saika notanterahan'ny mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Nikasa ny handray fitenenana teo anatrehan'ny Minisitra izy ireo, nandritra ny fananganan-tsaina... • Mihena isan-taona ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy ny 90%-n'ny rano ilain'ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina. Mihatototra ny eny an-toerana noho ireo olana samihafa...
Maro no alaim-panahy hihevitra fa ny vavaka dia mitondra mandrakariva fahagagana eo amin'ny fiainana, anefa tsy izany no izy fa tolona sy hazakazaka. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra ary matetika isika dia manadino mandritra ny vavaka fa isika no natao hanompo azy Tompo, any ka Andriamanitra indray no heverintsika ho mpanompontsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Andrasana eo anelanelan'i Sainte Marie sy i Brickaville rahampitso maraina, ny fidiran'ilay rivodoza Faida an-tanety... • Olana sedrain'ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy rano an'Antananarivo sy ny manodidina, ny atsanga sy ny fiorenan'ny foto-drafitrasa manakaiky azy... • Miankina tanteraka amin'ny fomba fiasa, izay tena ilana ezaka lehibe, ny hahazoana vokatra tsara, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Razafimamonjy Fenosoa...
• Nankalazaina omaly 2 febroary ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiainana Voatokana. Anisan'ny nanamarika izany ny relijiozy rehetra teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, natao teny Mandrimena Iavoloha... • Nankalazaina tamin'ny zoma 31 janoary 2025 ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, mpanorina ny Fikambanana Saleziana. Nitarika ny Eokaristia Masina tamin'izany ny Arsevekan'Antananarivo... • Mila ny fahazavan'i Kristy ny tontolo ankehitriny, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus...
Bokin’i Siraka (Eklesiastika 5, 1-10)
Aza miankina amin’ny harenao, ary aza manao hoe:
“Manan-karena ampy aho!”
Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao,
mba hanafa-po ny fanirian’ny fonao ary aza manao hoe:
“Zovy moa no Tompoko?”
Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao.
Aza manao hoe:
“Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?”
Fa mahari-po ny Tompo.
Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana, ka manampy ota ny ota.
Aza manao hoe:
“Be famindram-po Andriamanitra, ka hamela ny heloka marobe.”
Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana;
ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany.
Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo,
ary aza mangataka andro isan’andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo,
ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany.
Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny,
fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony mahomby avokoa.
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy;
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao;
tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.
Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.
Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony?
Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siraka (Eklesiastika 4, 11-19)
Manandratra ny zanany ny fahendrena, ary miahy an’izay mikatsaka azy izy.
Izay tia azy, tia fiainana;
ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.
Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany,
ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa.
Izay manompo azy manompo ny Masina, ary izay tia azy, tia ny Tompo.
Izay mihaino azy, hitsara ny firenena;
ary izay manatona azy honina fahizay.
Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany, ary ny taranany, hitana ny fananana azy.
Satria amin’ny voalohany izy, miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy;
mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy;
mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy, mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny.
Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy,
ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafiny aminy.
Raha mania anefa izy, dia ilaozany, sy avelany hahita loza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 165 sy 168. 171 sy 172. 174 sy 175
Fiadanam-be ho an’izay tia ny lalànao
ary tsy mba misy mahatafintohina azy!
Voatandriko ny lahatrao sy ny Fanambarànao:
eo anoloanao avokoa ny lalako rehetra.
Hidera Anao anie ny molotro:
satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!
Hiventy ny didinao anie ny lelako:
satria rariny avokoa ny baikonao rehetra!
Liana ny famonjenao aho, ry Tompo;
ny lalànao no firavoako!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao!
Aleloia. Aleloia.
Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe:
“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay.”
Fa hoy i Jesoa:
“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 26, 2. 7-9. 12-13. 22-23)
Tamin’izany andro izany dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa,
mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely
hitady an’i Davida any an’efitr’i Zifa.
Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka;
ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory,
ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany.
I Abnera sy ny vahoaka mandry manodidina azy.
Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida:
“Voahidin’ny Tompo eo an-tananao ity ny fahavalonao anio,
ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy
dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja,
fa tsy hiverenako fanindroany.”
Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï:
“Aza mamono azy!
Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotry ny Tompo,
ka ho afa-maina tsy ho voasazy?”
Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola,
dia nandeha izy ireo.
Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro,
fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo.
Niampita tany an-dafy i Davida,
ka nijanona lavitra teo antampon’ny tendrombohitra
nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.
Niteny i Davida nanao hoe:
“Indro ny lefona, ry mpanjaka.
Ny iray amin’ny zatovonao no aoka haka azy ety.
Samy hovalian’ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy;
fa efa natolotry ny Tompo teo an-tanako ianao androany
nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotry ny Tompo Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 102. 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny sainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no ahatezerany.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 45-49)
Ry kristianina havana:
i Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona;
fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona.
Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany,
fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy.
Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany;
fa avy amin’ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra.
Manahaka ny tany izay rehetra tany;
ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra.
Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany
no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.
Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.
Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza, dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Maro amintsika no mandà ny hoe hivavaka satria mitalaho sy mangataka isika, anefa toa sahala amin'ny hoe tsy henoina vavaka. Matetika dia toa zary fanafintohinana ho antsika tokoa ny tsy fahatanterahan'izany, tsara marihana anefa fa tsy fahagagana ny vavaka fa resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary henoiny hatrany, saingy izay tena mahasoa no tanterahiny... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Raha sendra sendaotra na sorena kely na mba tezitra kely amin'Andriamanitra isika, ary toa manomboka mametra-panontaniana maro Aminy, dia tsy inona no ataontsika amin'izany hoy ny Papa François fa misaritra ny fon'Andriamanitra Raintsika, mba hijery sy hitodika aty amintsika, ao anaty fahavoazana sy fahasahiranana ary olana maro. Anaty hatezerana dia misy hetaheta-po... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco