♦ Manana ny fiandrianany ny Firenena amin'ny fitantanana ny krizy ao aminy ary afaka mifanatona sy mifampidinika tsara mitady vahaolana ny samy Malagasy. Izay no anehoan'Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana sy rei filoha roa lahy teo aloha... ♦ Mbola tsy ampy ny fepetra ampahatoniana anaovana ny fanavoazana manontolo ny lisi-pifidianana nanomboka androany hoy ny teo anivon'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Mitaky ny tambi-karama ho an'ny trano fonenana 200.000Ariary/volana ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo-renivohitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...