Ny "cognition" dia ny fomba fiasan'ny atidoha, afahana manatanteraka ny asan'ny fitadidiana, fahafahana manavaka sy manapa-kevitra. Rehefa misy olana ny "cognition" dia mety tsy hifantoka ny olona iray, olana amin'ny fomba fiteny izany hoe mikorontana ny fahafaha-miteny, olana amin'ny fanaovana asa iray, mikorontana ny fahitàna. Rehefa tsy tomombana ny fitadidiana dia maro ny olona lasa miankindoha amin'ny hafa mba hanampy azy amin'ny fiainana andavanandro... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hosokafana anio maraina amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fikaonandoham-pirenena. Hitarika izany etsy amin'ny CCI Ivato ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM)... ♦ Hentitra ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien fa tsy tokony hisy teritery ny fanaovana Vaksiny ny ankizy... ♦ Tsy filohan'ny CENI intsony Andriamatoa Dama Arsène Andrianarisedo. Mandray ny toerany omaly Andriamatoa Rakotonarivo Thierry... ♦ Miharatsy indray ny filaminana ao atsinanan'i RDC nanomboka omaly ; manohy ny fanafihany ao ny M23 tohanan'i Rwanda...
Ny alahady no andro ambony indrindra amin'ny fiaraha-miangona amin'ny litorjia, izay hiangonan'ny mpino " ka amin'ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny fandraisana anjara amin'ny Eokaristia no hanaovan'izy ireo ny fahatsiarovana ny fijaliana, ny Fitsanganan-ko velona ary ny Voninahitr'i Jesoa Tompo, amin'ny fisaorana an'Andriamanitra"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Makotroka ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka coadjuteur ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa. Hotanterahana amin'ny alahady 14 desambra 2025 ny fametrahana azy araka ny fomban'ny Eglizy... • Hentitra ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, fa tsy tokony hisy teritery ny fanaovana vakisiny ny ankizy... • Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly: nomena lanaja manokana ny tanora tamin'ity taona ity. Nahavita ezaka goavana amin'ny ady amin'ny kolikoly ny BIANCO, tamin'ity taona ity, hoy ny Tale jeneraliny, Razakamanantsoa Gaby Nestor...
♦ Efa naparitaka ny fanasàna ho an'ireo hanatrika ny fanokafàna amin'ny fomba ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenena etsy amin'ny CCI Ivato. Anisan'ireo nahazo fanasàna ny filoha teo aloha Andry Rajoelina... ♦ Marihina androany ny andro maneran-tany iadiana amin'ny kolikoly. Nisy ny hetsika mifandraika amin'izany ny antoandro teo teny Anosy sy tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Mangataka fanazavana bebe kokoa amin'ny Fanjakàna momba ilay vaksiny ho an'ny ankizivavy ny Arsevekan'Antsiranana. Nitondra fanamarihana ny momba ity vaksiny ity ny Mgr Benjamin Marc Ramaroson, omaly...
Ny omby noho ny hasiny teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia nasolo olona amin'ny sorona na fomba maro. Ny hena amin'ny omby iray dia voatsinjara araka ny voninahitry ny olona na ny toerany ara-piaraha-monina,na fifandrohina ara- pihavanana. Amin'ny ala volon-jaza dia ny nofo-kena sy ny trafony no hanatontosàna ny fomba, ; amin'ny fandevenana dia samy manana ny zara hena ny tompo-manjo sy ny fianakavian'ny maty, ny vehivavy sy ny lehilahy mpanotrona. Ny renim-bintana 12 dia misy lokon'omby mifanandrify aminy : Adaoro dia loko mainty misy fotsy ny handriny sy ny trafony, antsoina hoe vatoambo...
♦ Haharitra 18 ireo dingana fakàn-kevitra amin'ny dinika fanavaozam-pirenena mialohan'ny fandravonana, araka ny volavolan-kevitra naroson'ny FFKM... ♦ Mandrahona hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Madarail rahampitso. Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny famaliana ny fitakiany izy ireo tamin'ny fihaonana tamin'ny Ministeran'ny Fitanterana omaly... ♦ Efa nisy ny tamboho nirodana amin'ny toerana avo ao an-drenivohitra, vokatry ny orambe nisesisesy tato ho ato. Miantso ny rehetra ho mailo ny kaominina Antananarivo amin'izao fahavaratra izao... ♦ Nilaza ny filohan'i RDC omaly fa tsy nohajain'i Rwanda sahady ny fifanarahana fampitsaharana ady...
Mankalaza ny misterin'ny Paka ny Eglizy, araka ny lovam-pampianaran'ny apôstôly efa hatramin'ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron'ny Tompo, na alahady. Ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona dia sady "andro voalohany amin'ny herinandro" no "andro fahavalo"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
♦ Miantso ny mponina samy ho mailo manoloana ny rotsak'orana nisesisesy tato ho ato ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Efa nisy mantsy hoy izy ireo ny tamboho nirodana tamin'ny faritra avo. Efa nisy koa ireo nazera... ♦ Tsy voahaja ny fifanarahana ara-tsosialy niarahan'ny orinasa mpitrandraka fasimainty ao Taolagnaro sy ny Fanjakàna hoy ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena any amin'ny Faritra Anosy... ♦ Tsy nahafapo ny mpiasan'ny orinasa Madarail ny fihaonan'izy ireo tamin'ny solontenan'ny Ministeran'ny Fitanterana sy ny famantarana ny toetr'andro. Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo mpiasa...
♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy ny alarobia 10 desambra izao, raha tsy misy ny fiovàna ny dinika ho fanavaoazam-pirenena, karakarain'ny FFKM. Fampivondronana ny olona rehetra tsy ankanavaka ho fanangonan-kevitra no iraka nankinina amin'ny FFKM... ♦ Tonga nanatitra vata mpanova herinaratra (transformateur) miisa 28 ho an'ny orinasa JIRAMA eny Antanetibe-Ilafy, ny sabotsy 6 desambra teo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tsy miankina amin'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ny tetik'asa tanterahan'ny FID tahirim-bola ho an'ny fambandrosoana...
….-Hankalaza ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly isika etoMadagasikara rahampitso Talata 09 Desambra. Efa an-taonany maro isika no nanamarika izany. Fotoana hanamafisana ny fahavononan’ireo fitondram-panjakana nifandimby hiady amin’ity kolikoly ity. Raha ny hita aloha, dia sarotra ny ady amin’izy ity, indrindra hoan’ny firenena mahantrasy andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, satria efa niorim-paka ela ilay toe-tsaina mpanao kolikoly, tsy teto Madagasikara ihany fa saika maneran-tany mihintsy. Azo lazaina fa efa tany amin’ny fahagolan-tany mihitsy no efa nisy ity kolikoly ity. Sarotra hoy ny arofanina no hiady aminy satria efa manenika ny sehatra samihafa : toy ny fananan-tany, ny fitandroana ny filaminana, ny fitsarana, ny fanabeazam-pirenena, ny fahasalamana sy ny maro hafa....
♦ Fanirian'ny Malagasy ny hiatrehan'Andriamatoa isany Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina ny Fitsaràna eto an-toerana hoy ny Filoham-panjakàna Kôlônely Michaël Randrianirina raha nivahiny tao amin'ny fahitalavitra France24... ♦ Nomena sehatra tamin'ny varavarana nisokatra nokarakarain'ny ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny vola tokony aloha sy ny ady amin'ny kolikoly amin'ny tontolon'ny fananan-tany... ♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay mpamily nandona mpianatra tetsy Tsarasaotra rehefa niakatra fampanohavana omaly...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco