Tokony halamina tsara ny fombafomba sy ny fiarahana amin'ny fankalazàna. Tokony hanaja ny fitovian'ny mpino rehetra eo anatrehan'Andriamanitra, tsy hijerena tavan'olona ny fankalazàna. Ny fombafomba dia manambara sy manampy amin'ny finoana fa tsy "teatra ara-panahy" ; amin'ny alalan'ny teny sy famantarana dia mampita ny misterin'ny famonjena ny Litorjia... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Tokony ho fohy sy mazava ary tsotra ny fombafomba anefa manankery ara-panahy. Tokony handray toerana lehibe ny Tenin'Andriamanitra amin'ny Litorjia. Ny Latina no fiteny fototra amin'ny Litorjia latina, saingy avela ampiasaina malalaka ny fitenin-drazana (langue vernaculaire) amin'ny ampahany sasany, amin'ny faneken'ny Eveka sy ny fiombonana amin'ny Ray Masina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Nanatanteraka fitsidiham-paritra voalohany, tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël, omaly alakamisy... • An'arivony ireo antontan-taratasy voarain'ny Minisiteran'ny Atitany, ho an'ireo maniry hotendrena ho Lehiben'ny Faritra 24 manerana ny nosy. Nifarana androany ny fanaterana izany... • Misy ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola ao amin'ny orinasa JIRAMA. Misy tambajotra matanjaka mihitsy manao izany, raha ny nambaran'ny sendikan'ny mpiasa, nandritra ny fihaonana tamin'ny Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza omaly...

Tapa-kevitra hamokatra menaka vita amin’ny soza koa ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny. Mampiroborobo ny fambolena soza ny tantsaha raha toa ka ny lojy fotsy, mainty maso, no nimasoan’izy ireo teo aloha. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ka nampirongatra ny bibikely mpanimba voly tany aminy, dia nampiroborobo izay voly soza izay ny tantsaha tao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny...

Ny soatoavina Malagasy dia fomba amam-panao, fihetsika, toetra, fomba ary foto-pisainana izay mifehy sy mitarika ny fitondran-tenan’ny tsirairay. Ireo no maha-izy azy ny firenena sy mamolavola ny fifandraisana eo amin’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny anefa dia hita very sy mihalefy ireo noho ny rivo-baovao misy ankehitriny, ny teknôlôjia, ary ny faharefoan’ny fanabeazana. Noho izany dia ilaina ny mamerina, mampahatsiahy izany mba hisian’ny fitondran-tena mendrika sy lavorary. Azo ampiharina io manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH/SIDA... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

♦ Ho tapahana avokoa ny fifanarahana mambotry vahoaka, natao tamin'ireo orinasa mpamatsy herinaratra sy fitaovana ny JIRAMA hoy ny Ministry ny Angovo. Nampanantsoin'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny ministra androany... ♦ Mandeha amin'ny lalan-diso ny fitondràna amin'ny fampiharana ny fanavaozana hoy ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara. Miantso ny filoha handrava ny andrim-panjakàna rehetra izy ireo, mba hirosoana amin'ny fanorenana ifotony... ♦ Tsy manaiky ny fampidinana kely fotsiny ny saran'ny internet natolotry ny vondron'ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny Fanjakàna Malagasy...

♦ Mila fotoana lavalava ny fanovàna tian-kapetraka eto amin'ny firenena ka vao miainga amin'ny fototra isika izao hoy ny antoko Vahoaka Miray, manoloana ny tsikera mahazo ny fitondrana... ♦ Mijoro amin'ny heviny amin'ny fampihenana ny saran'ny INTERNET ny fitondram-panjakàna ho tombontsoaan'ny vahoaka mivantana. Tolotra tsy azo heverina ho fihenam-bidy maharitra ny avy amin'ny mpandraharaha araka ny fanambarana iombonana nataon'ireo ministera miisa telo misahana izany... ♦ Manana vala tahaka ahafahan'ny tantsaha mitaratra ny fahombiazan'ny teknika PFUMVUDZA, avokoa ankehitriny ny Faritany miisa 6 eto Madagasikara...

Vavolombelon'ny fifankatiavana eo amin'ny mpivady ny tokantrano maharitra an-taonany maro ; andry telo hiorenan'ny tokantrano ny fifampitokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ho fanavaozana ny rafitra misy ankehitriny : ilaina ny finiavana hifanatona sy hifampihaino. Ny fanovana toe-tsaina miainga amin'ny tsirairay no fototry ny fanovana, ilaina ny fanaingana ny fanavaozana avy any ifotony amin'ny alalan'ny fakan-kevitra any amin'ny Fokontany sy ny isam-pikambanana na vondrona maro lafy. Hatafitàna amin'ny tanjona iray dia tsara raha atao mazava ny dingana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Miatrika ny fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana etsy amin'ny CCI Ivato ny mpisehatra amin'ny izany. Ministera telo misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana no manatontosa miaraka amiin'ny CONAMEPT... ♦ Miomana sahady amin'ny fiatrehana ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona amin'ny fandrindrana ny fifamoivoizana ny pôlisim-pirenena sy ny pôlisy monisipaly ao Antananarivo-renivohitra. Notanterahana omaly ny fivoriana nanomanana izany... ♦ Tokony hampiharina ny fifanarahana iombonana voalazan'ny lalàna mifehy ny asa momba ny fanondrotana ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina hoy ny Ranndrana Sendikaly...

Samy manana ny toetra maha-izy azy ny fombam-pivavahana sy ny fankalazana tsirairay. Raha azo atao dia tokony atao amin'ny fiombonana (vahoaka sy pretra) ny fankalazana rehetra. Ny fankalazana manokana dia natao ho amin'ny antony manokana ihany. Tsara ny mivavaka miaraka, indrindra ny fijoroana vavolombelona eo anatrehan'ny vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Ny handrafetana ny drafi-panabeazana vaovao, ho an'ny taona 2026-2030, no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doha momba ny fanabeazana tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato, nanomboka androany... • Vita ny fanamboarana ny milina G1, izay manome tanjaka 5 Megawatts, ao amin'ny toby famokarana herinaratry ny JIRAMA Ambohimanambola... • Nitsirika ny Kianjan'i Mahamasina ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, sy ireo mpanara-maso avy amin'ny CAF. Fitsirihana ny amin'ny mety hahazoana, na tsia, fankatoavana ny kianja no natao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...