Alahady faha-2 mandavantaona — D : Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra ; Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Araka izay voalaza ao amin'i 1 Kôr. 12, 4-11 : [...] maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo iray ihany ; [...] Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitra-pony. Sitrak'Andriamanitra ny hahasambatra antsika olony. Ny Evanjely araka ny voalaza ao amin'i Jo. 2, 1-12, mitantara ny fampakaram-bady tao Kanà any Galilea dia maneho ny finiavan'ny Tompo hampibaribary ny fitiavany antsika tsirairay avy...

Ny mpampianatra ara-panahy taloha no nampifanohitra ny fibanjinana tamin'ny asa, ary nanasongadina ny antson'Andriamanitra ho lalana fandosirana an'izao tontolo izao sy ireo olana sy rendrarendrany mba hitokana sy hanamasin-tena taneraka amin'ny alalan'ny vavaka. Ny tsapa anefa, tao amin'i Jesoa kristy tantarain'ny Evanjely, tsy nampifanohitra ny fibanjinana sy ny asa... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Mitohy ny fikarohana ataon'ny mpikaroka amin'ny fomba iadiana amin'ilay aretim-bary malazo ravina BLB sy mitsipika amin'ny ravina BRS, miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy. Tsy mbola hita ny fanafody fa mitady an'ireo karazam-bary mahatohitra ny aretina ny teknisianina mpikaroka amin'izao fotoana izao...

Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.

Betsaka tamin'ny mpianatr'i Jesoa no tsy dia nahazo mazava tsara ny fampianarany ka lasa nandao Azy, teo koa ny fikonokononana hamadika Azy nataon'i Jodasy ; tamin'izay anefa i Jesoa no nanomboka niteny mazava ny fijaliany sy ny fahafatesany. Tao anatin'izany toe-javatra izany i Jesoa no niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ny mpianany telo lahy ary niova tarehy... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Mikisaka haingana manalavitra ny Faritra atsimon'ny nosy ilay rivo-doza Dikeledi ; tany amin'ny 381 km atsimo somary andrefan'i Faux-Cap no nisy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo...
  • Nihoarana ny vinavina fampidiram-bola tao amin'ny fadintseranana malagasy ny taona 2024. Nitombo 400 miliara Ariary ny vola niditra...
  • Ao anatin'ny Vondrona "B" no misy an'i Madagasikara taorian'ny antsapaka natao tatsy Kenya amin'ny CHAN 2024, balina kitra, hatao amin'ny volana aogositra izao...
  • Nandaha-teny farany ho an'ny vahoaka amerikanina omaly ny filoha Joe Biden mialohan'ny handaozany tanteraka izay andraikitra izay...

Ny ray aman-dreny no môdely ho an'ireo zanaka, ary manana adidy hametraka rafitsaina mendrika ny maha olombanona. Ny fanabeazana dia mila saina tia karokaroka ; tsy afaka misaraka ny fanabeazana sy ny fiainam-pirenena izany hoe miainga ao an-trano. Manahirana ny fanabeazana ankehitriny, antony vitsy ny tsy fahampian'ny fotoana hifampiresahan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo koa ny herin'ny vola izay lasa toy ny sampy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Manalavitra hatrany ny morontsiraka atsimon'ny nosy ilay rivo-doza Dikeledi nanomboka alina. Tany amin'ny 222 km atsimo andrefan'i Ampanihy no nisy ny foibeny tami'ny 9 ora lalina. Nahatratra 140km/ora ny rivotra niaraka taminy...
  • Tsy misy mitombona avokoa ny fitoriana nataon'ny kandidà Tojo Ravalomanana ho an'ny kandidà Harilala Ramanantsoa ho an'ny tao amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra hoy ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna eto amin'ny Faritanin'Antananarivo. Nivoaka omaly ny didy momba ireo raharaham-pifidianana kaominaly ho an'ny teto Antananarivo...
  • Mikasa hanao diabe am-pilaminana ao Toamasina ny kandidà Rolland Ratsiraka amin'ny sabotsy izao...

Jesoa no mpampianatra voalohany indrindra ny fibanjinana. Tsy banga teo amin'ny fianany ny fotoana, ny toerana, ny fahanginana, ny fiombonam-pitiavana vokatry ny fibanjinana, ary nahazoany hery niatrehana ireo sedra, fanenjehana, fakam-panahy isan-karazany, afaka nitahiry ny hatsaran'Andriamanitra tao aminy hatramin'ny farany Izy. Ny fiombonana tsy tapaka tamin'Andriamanitra no tsiambaratelony... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Maherin'ny 1.400 ny isan'ireo tsy fanarahan-dalàna sy osoka mahakasika ny fikasàna hanondrana volamena antsokosoko tany ivelany, ho an'ny taona 2024 raha ny nambaran'ny tale jeneralin'ny fadintseranana Malagasy...
  • Hanao hetsika diabe am-pilaminana iarovana ny safidim-bahoaka ny kandidà Rolland Ratsiraka ny sabotsy izao...
  • Hamafisina ny ady amin'ny doro-tanety sy tavy eto Madagasikara, nisy ny fivoriana nandinihana ny momba izany androany...
  • Hanafaka gadra miisa 553 ho fanamarihana ny taon-jôbily 2025 ny fitondram-panjakàna any Cuba...

  • Manao antso amin'ny hiandrasana amim-pitoniana ny voka-pifidianana ôfisialy avy amin'ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna ny filohan'ny fitsaràna avo momba ny Lalam-panorenana Florent Rakotoarisoa...
  • Nihena 35 hatramin'ny 40% ny fampiasàna solika mavesatra hamatsiana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo noho ny fiakaran'ny rano vokatry ny rotsak'orana...
  • Tsy hisy ny fotoam-pitsarana eny amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy ny zoma ho avy izao noho ny hetsika fambolen-kazo ataon'ny mpiasan'ny ministeran'ny Fitsaràna eny Tsiafahy...
  • Heritaona nisian'ny ady tao Gaza tsy ampy ny mponina intsony ny rano sy ny sakafo ary ny fanafody hoy ny antso fanairana nataon'ny UNICEF any an-toerana...

Ny fahasalaman'ny zokiolona dia miankina amin'ny tontolo manodidina azy. Isan'ireo mandrafitra ny fahasalaman'ny zokiolona ny hafaliana, fanatseham-batana, fahafahana mikarakara zavatra iray. Rehefa +55 taona ny olona iray dia efa azo lazaina hoe "zokiolona", izay mety ho tojo fahasahiranana ara-pahasalamana raha tsy nihomana tamin'ny lafiny maro, talohan'io taona io ; ohatra ny fitandremana ara-tsakafo, ny fitaizam-batana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...