♦ Heverin'ny H.V.M ho fihatsiana sy fandrahonana ny raharaham-pirenena tato ho ato, indrindra ilay nitranga teny Ivandry ny zoma alina teo. Namoaka fanambaràna momba izany ny antoko H.V.M... ♦ Nisy akony sahady amin'ny naoty azon'i Madagasikara momba ny kalitaon'ny tolotra omena ny mpandeha ny fanavaozana sy fanitarana ny tranon-tseranana nasiônalin'ny Seranam-piaramanidina ety Ivato... ♦ Nampiatoana tamin'ny asany ireo mpiasan'ny Zaridainan'Andohalo nitaky vola tamin'ireo mpiadina BEPC sy ray aman-dreny, misakafo eny an-toerana... ♦ Lasibatry ny tafio-drivotra mahery sy ora-mikija ny faritra atsimon'i Chine...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...