♦ Nizotra am-pilaminana ny fanombohan'ny fanadinam-panjakàna BEPC ny maraina teo. Nyt taranja Malagasy no natrehan'ireo mpiadina... ♦ Kasaina hosokafana ato anatin'ny enim-bolana ny zotra vaovao amin'ny sidina an'habakabaka mampitohy an'i Madagasikara sy i Chine ary i Inde... ♦ Mifindra tsikelikely eny Amoronankona ireo kaoperativa mpitatitra eny amin'ny Fasan-karàna. Efa tena miasa tanteraka ity tobim-piantsonana vaovao ity, izay misy ny zotra miasa amin'ny lalam-pirenena faharoa sy fahafito... ♦ Lasibatry ny afo indray ankehitriny ny faritra atsimon'i Eraopa. Efa maherin'ny 190km2 ny velaran-tany ravan'ny afo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...