♦ Mbola nametraka fepetra mialoha ny hampidinany ny vidin'ny internet ny vondron'ny mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara (GTM)... ♦ Ankoatra ireo antoko sy vovonana politika, efa misy koa ireo ray aman-dreny to-teny efa miomana amin'ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Manao atrikasa hijerena vahaolana miaraka manoloana ny loza sy tandindon-doza ireo firenena aty Afrika-Andrefana... ♦ Nanomboka mamita ny saziny, 27 taona an-tranomaizina, nanomboka omaly, ny filoha Bresilien teo aloha Jair Bolsonaro...
♦ Hodinihina eny anivon'ny Antenimieran-doholona eny Anosikely indray ny teti-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2026, taorian'ny nankatoavan'ireo Solombavambahoaka izany omaly teny Tsimbazaza... ♦ Miparitaka ary saika feno ny ankamaroan'ireo toerana fanariana fako ao Antananarivo renivohitra ao. Anton'izany fitokonana nataon'ireo mpiasa eo anivon'ny SMA... ♦ Tanora mpitady asa no voasoloky sy very vola hatrany amin'ny 12 tapitrisa Ariary... ♦ Niavaka ny fanamarihana ny faha-150 taona nisian'ny iraka voalohany nataon'ny salezianina any Patagonie...
Asan'ny Eglizy iray manontolo ny Litorjia, izany hoe asa iombonana ataon'ny Kristy sy ny Eglizy fa tsy fombafomba ataon'ny pretra irery. Ny fandraisana anjara amin'ny lamesa dia asa fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, midika fa tsy mpijery na mpihaino fotsiny fa mpandray anjara amin'ny mistery. Ny fiangonana dia iray tsy mivaky izay manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2026. Tsy mahafapo ny Depiote lany tao Faratsiho anefa ity LFI 2026 ity... • Manahy ny amin'ny mety tsy hampiasana ny lisitra azo avy amin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana. Manaitra ny fitondrana izy ireo, sao vola ariana fotsiny ny fanavaozana izany... • Manana olana amin'ny famatsiana rano ny lemak'i Bas-Mangoky, ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana. Nijery ny zava-misy sy namaha olana tany an-toerana, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana...
♦ Nogiazan'ny Fitsaràna Ambony atsy amin'ny Nosy Maorisy sy kaontim-bola amin'ny Banky sy ireo orinasan'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ; nivoaka ny didy mirakitra izany... ♦ Tsy tokony ho maika loatra isika mitsara ny fitondràna fa tsy mankany amin'ny fanovàna hoy ny RMDM. Nambaran'izy ireo fa mbola ao anatin'ny fanadiovana ny firenena ny mpitondra fa mbola tsy miroso amin'ny fanovàna... ♦ Harenina ny valan-javaboahary eny Tsimbazaza, mialoha ny hanamarihana ny faha-100 taonany. Ministra telo eo anivon'ny Governemanta no nidina teny an-toerana, omaly... ♦ Midina an-dalambe ny mpianatry ny Oniversite any New Dehli-Inde, noho ny rivotra maloto...
Ity plateforme "Mpianatra" ity dia fanalefahana ny asa miverimberina any an-tsekoly sy manome vahaolana, ary manatsara ny fomba fiasa any an-tsekoly fiiara-miasa amin'ny orinasa "studio Mg.Plateforme. Antsoina hoe "Mpianatra" izy ity, plateforme numérique, natao hanampy ny sekoly sy ireo mpisehatra amin'ny fampianarana misy eto Madagasikara no tanjon amin'izany... Fandaharana "Zava-misy" atolotr'i Rasamimanana Marc.
Ny "korambe" dia lahabolana entina hiresahana ny zava-misy amin'ny endrika kanto, mety ho hatsikana ihany koa. Ny "korambe" dia miainga amin'ny fanontaniana ary mety hiafara amin'ny fanontaniana ihany koa ; ny tantara fohy ao anatiny dia manakaiky kokoa ny marina sy ny zava-misy, mifandraika amin'ny fiainana andavanandro. Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra. Ny fotoana fanaovana ny korambe dia rehefa miasa eny antsaha, rehefa mipetrapetraka an-tanàna amin'ny antoandro na hariva na koa rehefa miari-tory amin'ny alina...
♦ Mikatso ny dinika eo amin'ireo orinasa mpandraharaha sy ny Fanjakàna momba ny fampidinana ny saran'ny Internet. Nanazava ny momba izany tamin'ny haino aman-jerim-pirenena, tamin'ny alina, ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Nafàna ny ady hevitra momba ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna teny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, omaly hariva. Hitohy anio ny fivoriana mety handaniana izany volavolan-dalàna izany... ♦ Tsy anisan'ireo nahazo fanasàna ny foibe nasiônaly ho an'ny fanabeazana katôlika (DINEC) amin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana....
Ny Litorjia dia mampihaino sy manambara ny Tenin'Andriamanitra, alohan'ny hanatanterahana ny Sakramenta. Efa natomboka taloha ny fanavaozana satria tsy mitovy ny famakiana boky taloha sy ny ankehitriny (Missel - Bréviaire...) Tsy tokony hiandry ela amn'ny fanavaozana (mitohy) mba tsy ho lany andro ny teny am-piasaina. Olona manam-pahaizana no manova azy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Tsy isan'ireo nahazo fanasana amin'ilay fikaonandoham-pirenena ho an'ny fanabeazana hatao etsy amin'ny CCI Ivato, amin'ny alarobia izao, ny Sekoly Katolika eto Madagasikara... • Tsy nahazo fahafahana vonjy maika Ramatoa Rakotomanga Rinah, tao aorian'ny fanohanana nataon'ny mpisolovava azy... • Solontena nitondra ny feon'ny firenena Malagasy tany Dakar, nandritra ny andiany faha-76 amin'ny fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Komity Ivondronan'ireo Minisitra ao amin'ny ASECNA, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Juste Créscent Raharisone...
♦ Nitsidika tampoka ny foiben-toeran'ny M'vola teny Ankorondrano, omaly, ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra mantsy ny fahatapahana miverimberina amin'ny fampiasàn azy io tato ho ato. Efa miverina amin'ny laoniny izany ankehitriny... ♦ Be fanantenana ireo mpanondrana Letsia any amin'ny Faritra Atsinanana fa hitombo betsaka ny vola hiditra ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna amin'ity taona ity, noho ny fanavaozana nentina amin'ny fanondranana Letsia eto Madagasikara... ♦ Tsy mety eto Madagasikara ny fanaovana fifidianana mivantana andraisan'ny daholo be anjara, hoy ny Profesora Rakotonirina Solonjatovo, SG an'ny Antoko Fihavanantsika...
♦ Nisy fanavaozana ny sehatry ny fanondranana letsia teto Madagasikara tamin'ity taom-pihotazana 2025 ity. Nohalalahana ny sehatry ny fanondranana ; tsy nisy intsony ny ampihimamba nataon'ny mpandraharaha sasany... ♦ Raha ny fironana politika ankehitriny dia ny fandravàna ireo andrim-panjakàna rehetra eto amin'ny firenena no tokony atao aorian'ny fihaonambem-pirenena hoy ny ACS Fikambanana ivondronan'ireo Loholona sy mpikamban'ny filan-kevitra ambony an'ny tetezamita teo aloha... ♦ Mbola tsy tafaverina amin'ny asany, fito volana aty aoriana, ireo sendikalista telolahy mpiasa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina, nahiditra am-ponja nandritra 2 volana sy herinandro...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco