• Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2026. Tsy mahafapo ny Depiote lany tao Faratsiho anefa ity LFI 2026 ity... • Manahy ny amin'ny mety tsy hampiasana ny lisitra azo avy amin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana. Manaitra ny fitondrana izy ireo, sao vola ariana fotsiny ny fanavaozana izany... • Manana olana amin'ny famatsiana rano ny lemak'i Bas-Mangoky, ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana. Nijery ny zava-misy sy namaha olana tany an-toerana, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana...