Ny vavaka dia mila fifantohana tanteraka. Ny vavaka dia mila fanazaran-tena, indrindra ny fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra. Mila mifantoka amin'Andriamanitra isan'andro ny olona mivavaka. Ny fandinihana masina, ny tonom-bavaka samihafa dia isan'ny ireo fomba ahafahana mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 32-40)
Ry kristianina havana, inona koa no holazaiko.
Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna,
i Baraka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpamimany:
fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro,
niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona,
namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina,
nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;
nandraisan’ny vehivavy ny zanany maty voatsangan-ko velona.
Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany,
mba hahazoany ny fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa;
ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin’ny tranomaizina;
notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra,
nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona,
nenjehina, nampahorina, nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao,
nirenireny tany an’efitra izy, sy tany an-tendrombohitra,
ary tany an-johy mbamin’ny tany an-dava-tany.
Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo,
dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina,
fa isika no namboarin’Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa,
ka tsy tonga amin’ny fahatanterahana ireo raha tsy mba efa mby eo koa isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 30, 20. 21. 22. 23. 24)
Akory ity haben’ny hatsaranao
izay atokanao ho an’ny matahotra Anao,
sy asehonao ny mpifefy aminao
eo anoloan’ny zanak’olombelona.
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitry ny tetika ataon’ny olona;
ny fialofanao no ampierenao azy,
lavitry ny lela mpanangana ady.
Isaorana ny Tompo
fa nataony nigagana
ny hatsaram-pony tamiko
tamin’ny andro fahoriana!
Taitra loatra aho, ka loa-bolana hoe:
“Voatsipy lavitry ny masonao aho!”
Kanjo henonao ny feoko mitaraina,
fony izaho niantso Anao.
Tiava ny Tompo, ry mpivavaka rehetra:
fa ny Tompo miambina ny mpino;
fa ny mpiavona kosa
valiany tsy an’erany!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)
Tamin’izany andro izany,
nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany
dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny;
ka vao niala tao an-tsambo kely Izy,
dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto
avy tany am-pasana nanatona Azy.
Tany am-pasana izy io no nitoetra,
ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony
na dia tamin’ny gadra aza,
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra
sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany,
nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany,
ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy
no mirenireny na andro na alina,
sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato.
Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy
dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe:
“Moa mifaninona izaho sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra?
Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho,
aza dia mampijaly ahy”,
satria i Jesoa efa nanao taminy hoe:
“Mivoaha amin’ity lehilahy ity,
ry fanahy maloto.”
Ary nanontany azy Izy nanao hoe:
“Iza no anaranao?”
Dia novaliany hoe:
“Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.”
Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny
hiala amin’izany tany izany.
Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka,
andiany iray, nihinana,
ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe:
“Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa
mba hiditra ao aminy. Dia nekeny.”
Ka nivoaka ny fanahy maloto,
dia niditra tao anatin’ny kisoa,
ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana
ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray,
tokony ho roa arivo,
ka maty tao amin’ny ranomasina.
Dia nandositra ny mpiandry azy
ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha;
ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.
Nankany amin’i Jesoa izy ireo,
ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona)
nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina,
ka raiki-tahotra tery.
Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo
izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa,
dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo,
mba hiala amin’ny taniny.
Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy,
dia niangavy taminy ilay azon’ny demony
mba hanaraka Azy;
fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy:
“Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao
ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao
sy ny namindrany fo taminao.”
Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy,
ary gaga ny olona rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fitaovan-tserasera mampifandray olona maro sy amin'Andriamanitra mivantana dia ny Soratra Masina, indrindra ho an'ny kristianina izany hoe ny Baiboly. Maro ireo boky voasoratra afahana mampita ireo soa maro samihafa ho an'ny taranaka. Manentana ny ray aman-dreny mba hanampy ny taranaka mba hanampy ny zanaka hahay hampiasa tsara ny fitaovan-tserasera, indrindra ireo noentin'ny fanatontoloana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny vato ao amin'ny voa dia aretina mpahazo ny taova mamorina amany, manaraka hatrany amin'ny fantsona fivoahan'ny amany. Rehefa tsy ampy ny fatran'ny "Citrate" ao amin'ny vatana dia mampitombo ny tandindona mety hampisy vato ny olona iray. Ny vato ao amin'ny voa dia misy azo levonina araka ny habeny. Ny fisotroana rano no manampy ny voa hatanteraka ny asany. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Alahady faha-3 mandavantaona — D : Ny tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’akondro ; Nirahin’ny Tompo hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ary hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra. Mipetraka ny fanontaniana hoe manao ahoana ny fankafizantsika ny tenin'Andriamanitra ; teny lina nihaino an'Andriamanitra ny Jody tafaverina avy any an-tsesitany, afaka alahelo izy ireo ary sambatra. Ny tenin'Andriamanitra dia tsy boky fotsiny fa fomba sy olona izany hoe i Jesoa Kristy. Ny olombelona, ny Kristianina dia ratsam-batan'i Kristy ka samy manana ny anjara toerany avy, anefa iray noho ny maha iray ny fanahy izay nanaovana batemy antsika...
Maro ireo andram-piainana sy traik'efa mikasika ny vavaka niainan'ireo zoky ara-pinoana : tao ireo nanana faharetana tamin'ny zavatra madinika, isan'ireny Masimbavy Thérèse d'Avila, Masindahy Jean de la Croix, ary Masindahy Jean Bosco. Ny vavaka dia mampandroso ary maha olom-banona, miasa ao amin'ny vavaka ataontsiksa Andriamanitra... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny vavaka ao amin'ny Soratra Masina no isan'ireo vavaka tsara indrindra. Ny vavaka dia tena tolona. Ny vavaka niain'ireo olom-bofidin'Andriamanitra dia afahana manaporofo fa ny vavaka dia tolona, indrindra rehefa manoloana ireo sedra maro samihafa... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco