Zava-dehibe ho an'ny fiainan'ny tanora ny fanomanana ny ho aviny, ka tsy tokony tsinotsinoavina. Ny fifankahalana sy ny fizarazana dia isan'ny manimba ny tanora, tsy tokony ho lany fotoana amin'ny rendrarendra ny tanora, fa hanao ho zava-dehibe ny mahasoa, toy ny fianarana sy ny fiofanana... Miantso ny tanora mba hiverina amin'ny fitiavam-bavaka, torak'izany ny fianakaviana tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 02 febroary 2025 : fankalazana manetriketrika ny nanolorana ny Tompo. Fanamasinana ny Jiro : Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao. Ity fotoana fankalazana ny nanolorana ny Tompo ity dia manamarika ny fotoana izay nankatoavan'i Jesoa ny lalàna ampahibemaso ary nitsena ireo vahoaka niandry Azy, eto ihany koa no fahataperan'ny andro fidiovana, araka ny lalàn'i Môizy, aorian'izay moa dia mandeha manolotra fanatitra ho an'ny Tompo. Ao amin'ny Fiangonana no toerana ahitantsika an'i Kristy sy hitsenantsika Azy. Ny fetin'ny Jiro masina dia manambara fahazavana izay famantarana an'i Kristy fahazavana...
Ny mpivavaka marina dia tsy mba mamono ny vavaka, fa manao ny vavaka ho toy ny jiro mirehitra eny an-tanany mandrakariva, mampahatsiahy antsika ireo virijiny hendry, ary mampahatsiahy ny nanomezana ny jiro mirehitra tamin'ny andro nanaovana Batemy antsika. Samia mizatra mitodika tsy tapaka amin'Andriamanitra na amin'ny mora na amin'ny sarotra fa izany no fivavahana marina... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.
Ny fampandrosoana mendrika sy mirindra dia endrim-papandrosoana tsy manilika ny hafa kanefa afahan'ny tsirairay mivelatra amin'ny lafiny maha olona feno. Ao anaty fiaraha-monina anjakan'ny fizarazarana sy ny fiolonolonana dia ilaina ny fahaizana mivelatra amin'ny hevitry ny hafa afahana mampirindra ny tsy fitoviam-pijery. Dingana voalohany hafahana makany amin'izay ny fanamafisana ny rafitra demôkratika mifototra amin'ny tany tan-dalàna ary ny tsara tantana afahany tsirairay maneho hevitra hampalalahana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ireo Olomasina rehetra dia samy nandalo ny "lohasaha maizina" avokoa, toa very fanantenana aza indraindray izy ireny, nefa tsy kivy. Tsy kivy tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Mila faharetana ny vavaka, mila herim-po ; aza miady irery fa ndrao resy, fa antsoy ny mponin'ny lanitra, hankahery sy hanohana indrindra ny Fanahy Masina sy ireo Anjely mpiambina antsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco