Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 58, 1-9a)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao;
ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao,
ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany,
ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Mitady Ahy isan’andro izy ireo,
samy maniry hahalala ny lalako,
mova tsy ny firenena efa manaraka ny rariny,
sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory.
Mangataka fitsarana marina amiko izy,
ary maniry hohatonin’Andriamanitra:
Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany,
sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?
Amin’ny andro ifadianareo,
mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo;
ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.
Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady,
ary mamely totohondry an-katezerana aza!
Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany,
tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.
Moa izany va no fifadiana ankasitrahiko?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro,
sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahin’ny Tompo?
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorina ho afaka,
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizarànao ny mofonao amin’izay noana va,
sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany, ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: “Inty Aho!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 50, 3-4. 5-6a. 18-19)
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra.
Fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra;
toy izany ireo sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotra.
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
Tamin’izany andro izany,
dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe.
“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro
hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao mifady hanina izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deteronômy (Det. 30, 15-20))
Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Môizy tamin’ny vahoaka Israely:
“Indro nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara,
ny fahafatesana sy ny ratsy,
tamin’ny nandidiako anao androany ho tia ny Tompo Andriamanitrao
sy handeha amin’ny lalany,
ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny,
mba ho velona ianao,
sy hihamaro ary hambinin’ny Tompo Andriamanitrao
any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao,
fa mety hotarihina hiankohoka amin’andriamani-kafa sy hanompo azy,
dia ambarako anareo dieny ankehitriny,
fa ho ringana tokoa ianareo;
tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranao hanananao azy
rahefa tafita an’i Jordany ianao.
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo aho anio,
fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana,
ny tso-drano sy ny ozona;
koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
amin’ny fitiavana ny Tompo Andriamanitrao sy fihainoana ny feony,
ary firaiketana aminy,
fa izany no fiainanao sy andro lava
honenanao any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo homena an’i Abrahama,
sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 1, 1-2. 3. 4 sy 6)
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalan’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony,
mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy;
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa mamery!
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana.
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona,
ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny;
fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra:
“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany
sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro
ka hanaraka Ahy.
Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.
Ary inona no soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao aza izy,
nefa very ny tenany ka voaheloka izy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Joely Mpaminany (Joely 2, 12-18)
Izao no lazain’ny Tompo:
miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra,
amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
Ny fonareo no rovidrovito, fa aza ny fitafianareo,
dia miverena amin’ny Tompo Andriamanitrareo,
fa mamindra fo sy miantra Izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po,
ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Iza moa no mahalala fa tsy hihemotra sy tsy hanenina,
ary tsy hamela fitahiana eo aoriany Izy,
dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’ny Tompo Andriamanitsika?
Tsofy ao Siôna ny trômpetra,
miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana.
Eho ny vahoaka; miantsoa fivoriana masina,
angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono.
Aoka ny mpampakatra handao ny efi-tranony,
ary ny ampakarina handao ny trano lainy.
Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely,
dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’ny Tompo,
hitomany ka hanao hoe:“Tompo ô, tsimbino ny vahoakanao,
aza atolotrao halam-baraka ny lovanao,
ka hataon’ny firenena fandatsa.
Ahoana no dia hanaovana anay any amin’ny hafa firenena hoe:
Fa aiza izay Andriamanitr’izy ireo?”Nentanin’ny hasaro-piaro ny taniny ny Tompo ka namindra fo ny vahoakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 50, 34. 5-6a. 12-13. 14 sy 17)
Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho,
diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Eny, miaiky heloka aho:
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako;
ny ratsy imasonao no nataoko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera Anao ny vavako.
Taratasy faharoan'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 20 — 6, 2)
Ry kristianina havana,
sady solon’i Kristy izahay no irak’Andriamanitra,
ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra
sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe:
Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Fa he ity Izy:
Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika,
mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry
dia mihanta aminareo izahay
mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo;
fa hoy Izy:
“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho;
ary tamin’ny androm-pamonjena, namonjy anao Aho”;
indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa ataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo
izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo anoloanao
tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy
ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany,
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.Ary raha mivavaka ianareo;
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny Sinagôga sy eny anjoron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valisoany.
Fa Ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao ainin’ny efitranonao,
ka rehefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ny ao amin’ny mangingina no hamaly anao.Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao,
ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siràka (Ekl 35, 1-15)
Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro;
ary ny miraikitra amin’ny didy, dia manolotra sorom-pihavanana.
Ny misaotra dia manao fanatitra lafarinina tsara indrindra;
ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.
Ny ankasitrahan’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;
ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.
Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,
fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.
Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;
ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.
Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;
ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.
Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;
ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.
Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,
ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.
Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,
amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.
Fa manome valy ny Tompo, ka hamerina impito hoatra ny nataonao.
Aza mitady hanangoly Azy amin’ny fanatitra,
fa tsy horaisiny akory izany,
ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;
fa mpitsara ny Tompo,
ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 5-6. 7-8. 14 sy 23.
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona!
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no ilay Mpitsara!
Mandrenesa, ry oloko, fa hiteny Aho;
fa hampamoaka anao Aho, ry Israely:
dia Izaho Andriamanitra,
ilay Andriamanitrao!
Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao:
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!
Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Izay misorona saotra no hasaiko
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra
mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
Tamin’izany andro izany,
i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra
ka nanaraka Anao.”
Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity,
dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.
Fa maro amin’izay farany no ho voalohany,
ary amin’izay voalohany no ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Miseho matetika tamin'ny fiainan'i Jesoa ny vavaka ho an'ireo sakaizany ; tena Mpampianatra sy sakaiza i Jesoa ka vonona miandry am-paharetana ny fibebahan'ny mpianany. Manambara amin'ny fiteny manaitra ny saina ny Taratasy ho an'ny Hebrio ny amin'ny hoe : ahoana ny vavak'i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena ." ... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• 11 febroary 1975 — 11 febroary 2025, 50 taona androany ny nitifirana ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Lanonana ara-miaramila toy ny fanao isan-taona no nanamrihana izany teny Ambohijatovo, toerana nitrangan'ny fitifirana... • Mbola mila ezaka goavana i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly. Laharana faha-140 amin'ny firenena 180 isika araka ny IPC, ho an'ny taona 2024... • Niova ny daty hanaovana ny fihaonamben'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny gidro sy ny rajako, eto Madagasikara. Hotanterahana eto Antananarivo eo anelanelan'ny faha-20 sy ny faha-26 jolay 2025 indray noho izany io fihaonana io...
Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ity lahabolana ity dia fanao amin'ny fotoana fifaliana sy amin'ny fahoriana, izany hoe fandrisihana sy fampaherezana ireo izay hiantsàna azy. Ny JIHE dia lahabolana fanaon'ireo foko any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana : Masikoro, Vezo, Bara. Lahabolana fanao famporisihana amin'ny asa iombonana toy ny hoe fitariham-bato...
Vavaka faharoa notanterin'i Md Joany (Jo 11, 41-42) ny talohan'ny fananganana an'i Lazara ho velona ; mialoha ny zava-niseho ny fisaorana : "Misaotra Anao Aho, Raiko satria efa nihaino Ahy Ianao", izay midika hoe mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray. Nampian'i Jesoa teo no eo hoe : Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco