Tontolo tefen'ny reny mijanona ao an-trano mikarakara ny ankohonana no nanefy ny fitaizana taloha ; fa ankehitriny dia tontolo tefen'ny reny, miasa sy mivoaka ny trano, ary mandray anjara amin'ny asa fivelomana.  Ny reny mijanona sy mpikarakara tokantrano dia tsy andraikitra mora fa isan'ny fototry ny fanabeazana, mikolo ny fanahy, vatana, saina mivantana ny zanaka... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Hahafahan'ireo teratany Malagasy handray anjara amin'ny fifidianana ny fahavitan'ny fisoratana anarana Biômetrika hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika Randrianirina Michaël... ♦ Ny vondrona Erôpeana no mitàna ny loha-laharana amin'ny fifanakalozana ara-barotra amin'i Madagasikara satria ny 30% amin'ny vokatra ahondrana avy eto amin'ny nosy no makany Erôpa... ♦ Nahatratra 19 ny nomoy ny ainy manerana ny nosy hatramin'ny nanombohan'ny taom-pahavaratra 2025-2026, raha ny tatitra avy amin'ny BNGRC... ♦ Maherin'ny 6.000 ireo namoy ny ainy vokatry ny fihetsiketsehana misy any Iran araka ny tatitra nataon'ny HRANA...

♦ Mihaona amin'ireo ankolafin-kery samihafa ireo iraky ny SADC mitsidika eto Madagasikara. Fihaonana hanaovan'izy ireo tombana momba ny toe-draharaham-pirenena eto amin'ny nosy ankehitriny... ♦ Faniriana ny hahavitàn'ny fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana Lalàm-panorenana ao anatin'ny 24 volana. Izay no nambaran'ny filoham-panjakàna Michaël Randrianirina, raha nihaona tamin'ireo isaky ny SADC, izy omaly... ♦ Asa 5.000 isa no hoforonona  ao anatin'ny 2 taona anatin'ny tetik'asa iarahana amin'ny ministeran'ny asa ny fampananan'asa ary ny asam-panjakàna...

Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana. Hira misy miolakolaka sy miangolangola mahaontsaontsa ; fahatsiarovana sy fiventesana an-kira ny embona sy alahelo ary hanina ny andro fahiny, mety ho fifaliana izany na alahelo atamberin'ny tadidy. Ny kalo madinika dia sombitsombin-tantara vetsoina, hirain'olon-drery, mampiseho alahelo sy embona ary hanina. Tsara ny manamarika fa ny karazan-kira mientanentana sy mampandihindihy ary tsy manetsika ny fo ho ontsaontsa dia tsy mba kalo na kalokalo...

♦ Nahemotra amin'ny 2 febroary izao indray ny fotoam-pitsaràna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga, raha tokony omaly. Mbola tazomina hatrany ao amin'ny fonjan'i Melrose hatrany ity mpandraharaha malagasy ity... ♦ Nitombo ny vola niditra tamin'ireo kaominina nampiharana fomba iadiana amin'ny kolikoly niarahan'ny BIANCO. Nitombo 100% izany ho an'ny Kaominina Fianarantsoa, ary 90% ho an'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana eo anivon'ny tafika Malagasy, raha tiana ny hanana tafika matihanina. Ny tsy fahampian'ny fitaovana no maha osa azy. Nosokafana omaly ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tafika...

♦ Feno 17 taona androany ilay alatsinainy mainty, fandoröna haino aman-jery sy fandrobàna tranom-barotra lehibe tao an-drenivohitra. Tsy hita ny marina momba iny raharaha iny hatramin'izao... ♦ Hevitra diso voizina ny filazàna fa olana ara-drafitra no tsy nampandroso ny firenena hoy Randriamampionona Joseph Martin, mpitarika ny antoko RTM... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry tampoka, androany maraina, i Faniry Razafimanantany, mpanao gazety sy mpanao pôlitika eo anivon'ny antoko TIM... ♦ Nitrangàna fanafihana mitam-piadiana tao anatin'ny kianja iray fanaovam-baolina any atsinanan'i Mexique...

… /… Raha misy ny andraikitra manan-danja indrindra eo amin'ny sehatry ny fampianarana dia anisany ny fisahanana ny fanadinam-panjakana. Samy manana adidy amin'izany, manomboka amin'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra, ilay mpianatra hanala fanadinana, ny sekoly fianarany, fa indrindra ny Fanjakàna mpikarakara ilay fanadinana. Isan-taona dia narahin’ireo mpisehatra ireo maso dieny ny mbola am-piandohan'ny taom-pianarana hoe : rahoviana ny fanadinam-panjakana amin'ity taona ity, na ny CEPE, na BEPC na Bacc ? 

♦ Nanamafy ny fitakiana fandravàna ny andrim-panjakàna rehetra sy ny Lalam-panorenana ny vovonana pôlitika TAFITA ny sabotsy teo. Mila esorina anaty Fanjakàna ireo olon'ny fitondràna teo aloha, ho izy ireo... ♦ Vaky omaly tolak'andro ny tohodranon'i Tologoina eny amin'ny kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Atahorana ho vaky ihany koa ny fefiloha, ka tantsaha hatrany amin'ny 20.000 isa no tandindomin-doza amin'izany... ♦ Nitombo 20 isa indray ireo trangan'aretina voamarina fa nendran-drajako eto Madagasikara. Tafakatra 180 izany izao ny tranga voamarina fa MPox manerana ny nosy amin'ireo tranga rehetra mitotaly 475 hita...

♦ Mbola niantefan'ny safidin'ny ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Federasiôna ho mpanazatra an'ny Barea i Corentin Martins... ♦ Hisy ny fifanakalozana hiarahan'ny minisi-panjakàna eo anivon'ny fiadidian'ny Fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa sy ireo tanora eny Mahamasina anio... ♦ Mbola hitarina ka hitombo isa indray ireo olona atao fanadihadiana tamin'ilay tsingerin-taona nitera-doza teny Ambohimalaza, hoy ny Ministra Fanirisoa Herinaivo... ♦ Nitsoaka ary niafina i Bobi Wine ilay mpanohitra ougandais, herinandro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena any Ouganda. Voadidin'ny tafika koa ny toerana misy ny vadiny sy ny fiankaviany...

Alahady 25 janoary 2026, Alahady faha-3 mandavantaona — A — Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-kosoavina ; Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. I Korinty dia toerana nivezivezen'ny olona maro, avy amin'ny fiavina samihafa noho izy nanana seranan-tsambo lehibe, maro ny firehan-kevitra mifamaofaho, na ny samy kristianina azy dia samy manana ny fanazavany ny finoana araka izay takany, ireny anefa no niteraka ny fifampiandaniana ; miantso ny rehetra mba haneho finoana iray...

Ny fanalan-jaza dia raràn'ny lalàna, araka ny voafaritra ao anatin'ny "code penal" art -316-317, eo anatrehan'ny lalàn'ny fiangonana ihany koa dia fahotana mahafaty ity fomba iray ity, dia ny fanalan-jaza iniana hatao. Ny mahatonga ny fahafahan-jaza tampoka dia tsy fahatomombanana eo amin'ny fiforonany (Chromosome), olan'ny tranon-jaza, Misy fivontosana (fibrome), diabeta tsy voalamina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy handroso isika Malagasy raha tsy miova ny toe-tsaina ka anatin'izany ny ady amin'ny kolikoly hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Randrianirina Michaël, tany Toamasina... ♦ Milaza tsy mahafantatra ny antony nampikatona ny biraon'ny HCC eny Ambohidahy ny Ministry ny Fitsaràna Fanirisoa Herinaivo... ♦ Mijoro ankehitriny ny Kômity vonjimaika misolo toerana ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (CT OJM) izay hiasa mandra-pijoron'ny rafitra vaovao voafidy amin'ny alalan'ny fifidianana... ♦ Mbola hanohy ny fifampiresahana i Rosia sy Ukraine ary Amerika, taorian'ny dinika voalohany natao tany Abou-dhabi, izay mbola tsy nisy fehin-kevitra mivaingana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...