♦ Nihaona tamin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena i Etazonia... ♦ Nanamafy ny sendika ivondronan'ny kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana fa natao handrindràna ny tsena anatiny ny fanafarana vary, ary misy ny arofanina amin'ny fanafarana vary gaboraraka... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny vondron'olona mivoy sy efa mampihatra ny rafitra Fokonolona amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Fy-M...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...