Ny ankamaron'ny vahoaka ankehitriny dia miaina fahasahiranana lalina ary maro ny marary tsy manana fahafahana mitsabo tena, etsy ankilany ny voina vokatry ny rivodoza. Ilay Samaritana tsara fanahy araka izay voasoratra amin'ny hafatry ny Ray Masina Léon XIV dia modelin'ny fangorahana, izay tsy fahalemena fa hery arahina fahendrena, fisokafana. Ny atao mahasarika ary mandrisika ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Nihaona tamin'ny Filoha Rosiana Vladmir Poutine ny tolak'andro teo, ny Filoham-panjakana Michaël Randrianirina. Nifantohan'ny dinika ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta... • Tafakatra 62 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani. Maherin'ny 420.000 ireo traboina amina Distrika 29, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC androany... • Natao famotorana lalina teny amin'ny PAC ilay raharaha fanodikondinam-bola 183 tapitrisa Ariary tao amin'ny fivarotam-panafodin'ny Hopitaly Itaosy...

♦ Nahazo famatsiam-bola mitentina 1,5 tapitrisa Dôlara avy amin'ny Joint-SDG Fund hanohanana ny tetik'asa fanafainganana ny fampivoarana ny rafitra ara-tsakafo i Madagasikara... ♦ Tsy mazava ny rafitra hitondrana ny firenena ka mangataka fanazavana momba izany amin'ny fitondram-panjakàna ny fiaraha-monim-pirenena ROHY... ♦ Mpampiofana miisa 40 eo anivon'ny Federasiôna Malagasin'ny Baolina Lavalava no nahazo fiofanana iraisam-pirenena... ♦ Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny filohan'i Corée atsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, araka ny didy navoakan'ny Fitsaràna tao Seoul, androany... 

51 taona izao no nitrangan'ny famonoana ka nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard, tandindon'ny finiavana hambabo hatrany ny firenena ho eo ambany vahohon'ny fahavalom-pirenena. Ny fahalalana ny tantara nisy dia ahafahana mamaritra ny ho avy sy mampandroso ny firenena. Toerana stratejika tsara i Madagasikara ho an'ny firenena vahiny, mila mitandrindra ny mpitondra, ka hanao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin'ny lafiny rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Handefa mpitandro filaminana miisa 600 any Toamasina handrindra ny fanampiana ho an'ireo traboina ny fitondram-panjakàna... ♦ Haverina amin'ny endriny tany aloha ny ao anatin'ny Rovan'i Manjakamiadana, esorina avokoa ireo fitaovana tsy an'ny mpanjaka araka ny didim-pitsarana momba ny Colisée nivoaka omaly... ♦ Niato nanomboka omaly alarobia 18 febroary 2026 ny fahafahan'ireo mpiasam-panjakàna miisa 159 manao dialyse eny anivon'ny Hopitaly Polyclinique Ilafy... ♦ Manomboka miverina sy miarin-doha tsikelikely ny toe-karena ao RDC...

• Horavana ny "Colisée" izay naorin'ny fitondrana teo aloha eny anaty Rova eny Manjakamiadana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina... • Manahy mafy ny amin'ny ainy ireo marary voa miisa 159 manao "dialyse", satria niato nanomboka androany ny fanaovana "dialyse" izay eny amin'ny hopitaly Polyclinique Ilafy... • Hisy ny fifaninana nasionaly "Fokontany madio", karakarain'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fidiovana sy Fahadiovana, miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka...

♦ Nanainga alina nihazo an'i Rosia ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, hamaly ny fanasana nataon'ny filoha rosianina Vladmir Poutine... ♦ Mankasitraka ny fikarakaràna ny herinandron'ny fanapariahana ara-pamokarana tanteraka eo Antananarivo ny filohan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Misy ny fiovàna amin'ny fandraisan'anjaran'ny tantsaha amin'ny hetsika toa izao hoy izy... ♦ Miatraika amin'ny lafiny toe-karena eto Madagasikara ny fahavoazana mahazo an'i Toamasina vokatry ny rivodoza hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny fadintseranana. Toamasina no mampiditra 75% ny vola azo avy amin'ny fadintseranana...

Manomboka amin'ny faha-13 ka hatramin'ny 15 taona ny fivelaran'ny fitiavan'ny tanora, ka ny ankizy vavy no misarika mialoha ny lehilahy ary ara-boajanahary izany, mifandrohy amin'ny fisian'ny ra eo amin'ny vehivavy. Noho io lamina ara-boajanahary io dia manosika ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny handanjalanja ny fomba fanabeazana ny tanora. Misy fihetsika na toetra miova rehefa tonga amin'ny fotoana fahamaotinana ny ankizy sy ny tanora ; tsy azo fehezina tsy hitia ny olona iray... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nanainga alina nihazo an'i Rosia ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël, miaraka amin'ny Ramatoa vadiny. Ny hamaly ny fanasana nataon'ny Filohan'i Rosia Vladmir Poutine no anton-dia hoy izy... ♦ Taorian'ny solombavambahoaka Sahondranirina Marie Michelle, nesorin'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena koa omaly ny tombon-jo ho an'ny mpikamban'ny antenimiera (immunité parlementaire) an'Andriamatoa Andriamananoro Augustin... ♦ Miatrika ny herinandron'ny fanapariahana ara-pamokarana mandritra ny efatr'andro ireo mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra...

♦ Afaka noho ny fisalasalàna tamin'ny raharaha fanakorontanam-panjakàna nanenjehina azy i Moussa Soalihy, mpanohana ny fitondràna teo aloha. Nivoaka ny maraina teo teny Anosy ny didim-pitsaràna momba ity raharaha ity... ♦ Ny rafitra hitantanana ny firenena tsy mazava tsara no tsy hahazoantsika fankatoavana eo anivon'ny Vondrona Afrikàna hoy Andriamatoa Beanjara Paul. Nanamafy ny hamolavolàna tondro-zotra mazava hitondràna ny firenena ity mpanao pôlitika ity... ♦ Tsy manambana an'i Madagasikara intsony ilay rivodoza Gezani. Nanalavitra tany amin'ny 431km atsimo-andrefan'i Faux Cap any Tsihombe, izy, tamin'ny 9 ora maraina teo...

Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy.  Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...

♦ Nihananalavitra an'i Madagasikara ilay rivodoza Gezani. Mbola mikorontana vokatr'izany ny toetry ny ranomasina any amin'ny morontsiraka atsimon'ny nosy, hoy ny filazana avy amin'ny Météo... ♦ Nasain'ny vondrona afrikàna hamolavola tondro-zotra hitondràna ny firenena hatramin'ny faran'ity volana febroary ity i Madagasikara. Nihaona tamin'ny filohan'ny vaomieran'ity vondrona ity tao Addis-Abbebas moa omaly ny delegasiôna Malagasy... ♦ Nitsinjo sehatra tsy miankina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza ny Fanjakàna. Foana mandritra ny 7 andro ny saram-pitehirizana entana eny amin'ny seranan-tsambo, ho an'ny kaontenera sy ny entana amin'ny endriny mahazatra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...