7 marsa 2025 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
6 marsa 2025 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
5 marsa 2025 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
4 marsa 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
3 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
2 marsa 2025 — Alahady Tsotra fahavalo Mandavantaona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-45)
Ny asa dia zava-dehibe satria natao hanompoana ny namana sy ny Tompo. Rehefa ny asa no tsy misy dia miha mahantra sy noana ny vahoaka. Entanina ny tsirairay mba handeha hiasa sy hikarakara ny tranobe iombonana. Mahavara manamarina ny zavatra tavela any ivelan'ny trano mba tsy handrian'ny fanahy ratsy. Mifalia amin'ny fahombiazan'ny namana, mba ho hisokafany aminao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny Fanahy Masina no loharano sy fototry ny fiombonana ary iry voalohany no mampiombona ny kristianina ho tena iray, ho Eglizy. Ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia tsy natao ho an'ny tenan'izay mandray fa hanasoavana ny hafa, handrafetana ny fiombonana. Ny firaisan'ny Kristianina dia fanehoana mafy ny maha eo anivon'izao tontolo izao an'i Kristy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ny fitiavana nasehon'i Jesoa Kristy no nahazoantsika famelan-keloka, nampivitrana indray ny fihavanantsika, voalohany amin'Andriamanitra ary faharoa dia amin'isika samy olombelona. Sori-dalana napetrak'i Jesoa Kristy, ohatra velona nasehony dia ny fiainana ny lalan'ny fitiavana. Araka ny voasoratra hoe "tsy misy manam-pitiavana lehibe indrindra noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Tany amin'ny 105 km atsimon'i Bevoalavo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Honde, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Nihemotra ho amin'ny 28 marsa 2025 indray, raha tokony ho natao androany teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fotoam-pitsarana ny raharaha fampiakarana nataon'Andriamatoa Barson Rakotomnaga sy ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina... • Efa manomboka hita taratra ny fivoarana eo amin'ny paikadim-pirenena hampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga eto amintsika ankehitriny...
• Manatanteraka ny fihaonambe voalohany amin'ity taona ity, ireo pretra ao amin'ny Secteur Avaratra, Diôsezin'Antsiranana... • Andao hiara-dia ao amin'ny fanantenana, io no lohahevitra anentanan'ny Ray masina ny kristianina rehetra maneran-tany, amin'ny karemy 2025... • Afaka natory tsara ny Papa François nandritra ny alina, araka ny loharanom-baovao avy ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Manana andraikitra amin'ny famokarana masomboly ry zareo ao amin'ny Fikambanana tantsaha CLASS Mananasy, Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy. Izy ireo izay afaka nanabe voa ny famokarana tamin'ny alalan'ny tetik'asa BREOMA. Efa ela no niorina ny fikambanana tantsaha CLASS hoy Ramatoa Raketabao Soanoelijaona filohany. Rehefa nahazo fanohanana tamin'ny tetik'asa izy nefa ireo dia niroso ho ara-panjakàna tamin'ny taona 2022...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco