Ny fitiavana dia sahala amin'ny tady tsy hita maso mampifandray fon'olona roa, lahy sy vavy. Sarotra ho an'ny tanora ny mamantatra ny tena fitiavana sy ny haitraitra, ny fitiavana anefa tsy lamaody. Raha mbola latsaky ny 17 taona dia mbola tsy matotra ary mbola tsy mahalala ny lanjan'ny fitiavana ny tanora iray. Maro ny diso amin'ny hoe "fitiavana" mira " firaisana ara-nofo... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Haneho hevitra ankalamanjana ary hangataka lalana amin'ny Préfet an'Antananarivo, ahafahana manao izany, ny Hery Politika Mitambatra sy ny mpiara-dia aminy, rehefa tsy navela hivory sy haneho hevitra anaty trano. Nomena anarana ho Vondrona Fanarenam-pirenena koa ny fiombonamben'izy ireo, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Natao androany ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ny olona amin'ny fampiasana ny harina sy kitay madio sy manaja tontolo iainana sy fenitra... • Efa afaka mandeha ny baka fitaterana ao Ifasy sy Mahavavy amin'ny Lalam-pirenena fahenina. Laharam-pahamehana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra, ny fampitana ireo mpianatra isa-maraina...
Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ny Jihe dia lahabolana fanao amin'ny fifaliana, fahoriana, famondrona hery hanao asa na dia iraisana. Amin'ny fihaonan'ny antoko mpiangaly jihe amin'ny sampanan-dalana iray dia misy ny fifanandrinana, fifamelezana io ilay atao hoe "BILO", eto dia tanana no hifamelezana fa tsy mampiasa fitaovana hafa. Azo ampilaharina amin'ny sangy mahery ny BILO...
Ho an'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely : " ho ahy ho izy ny vavaka dia fisitahan'ny FO, fijery tsotra atodika any an-danitra, hiaram-pahalalana sy hiakam-pitiavana eo anivon'ny hafaliana". Ny vavaka dia manokana ary miainga avy ao anaty, avy ao am-po asandratra amin'Andriamanitra. Azo lazaina hoe valim-pitia atolotra amin'Izy Tompo ny vavaka ary fanandratana ny fanahy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Hitohy hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana ny nosy, ato anatin'ny telo andro manaraka... • Tsy resy na nandefitra ny sendikan'ny Seces, fa nanova fomba fiady amin'ny fitakiana izay efa natombony... • Nanao diabe nilanja sorabaventy ary nanatona ny Ben'ny Tananan'Imerintsiatosika androany, ireo mponina manana tany voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro...
• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...
Boky Deteronômy (Det. 26, 16-19)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka Israely i Môizy nanao hoe:
“Ny Tompo Andriamanitrao no mandidy anao anio,
hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo,
koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
Nampanambara tamin’ny Tompo ianao androany,
fa Izy no ho Andriamanitrao
ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany,
hitandrina ny didiny sy ny lalàna amam-pitsipiny,
ary hihaino ny feony.
Ary ny Tompo kosa efa nampanambara anao androany,
fa ianao araka ny efa voalazany taminao,
dia ho vahoakany manokana,
mitandrina ny didiny rehetra;
ary Izy nametra-teny hanandratra anao ambonin’ny firenena rehetra nataony,
na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana,
ka dia ho vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
araka ny efa voalazany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 118, 1-2. 4-5. 7-8)
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no mamoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao.
Mankalaza Anao amim-po mahitsy aho,
eo am-pianarana ny Satanao izay ara-drariny.
Mitandrina fatratra ny Fitsipikao aho;
fa aza dia ilaozana kosa!
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namana ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco