♦ Mahatratra 800 tapitrisa Dôlara isan-taona ny vola tsy tafiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakàna, noho ny osoka ara-ketra sy ny kolikoly eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nifanakalo hevitra tamin'ny tanora momba ny fandraharahana ara-pambolena eny ambanivohitra ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo androany... ♦ Nilaza ny filohan'ny SMM fa antsojay no natao, nampiato mpitsara telo tamin'ny asany, ka nametraka fitoriana fangatahana ny hanafoanana sy hampiatoana ny fampiharana io fanapahan-kevitra io ny SMM...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...