• Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ny Antenimieram-pirenena. Izay no nanmbaran'ny filohan'ity andrim-panjakana ity, raha namaly ireo tanora Gen-Z nitsikera azy izy... • Mamolavola tetikasa hampitomboana ny vokatra kafe eto amintsika sy hanatsarana ny kalitaony ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... • Manao fivoriambe ao Antsirabe nanomboka androany, ary haharitra telo andro, ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny 2026-2027...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...