• Mpiasam-panjakana tsy raikitra EFA sy ELD maherin'ny 65.000 no horaisina ho mpiasa raikitra araka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana. Miverina indray, rehefa niato nanomboka ny volana febroary 2020, ny fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra... • Hitsahatra ny 5 janoary 2026 izao, ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ireo manao “dialyse” eny amin'ny Polyclinique Ilafy. Manahy ny amin'ny ainy ireo marary miisa 160 misitraka izany... • Efa tonga ao Toliara tamin'ny herinandro lasa teo ny fanafody 50.000 litatra, hamonoana ny kijeja any amin'ny tapany afovoany atsimon'ny nosy iny. Nalefa avy hatrany any Ihorombe sy Sakaraha ireo fanafody ireo hisorohana ny fihanaky ny valala...

• Nolavin'ny Fitsarana ny fanagatahana fahafahana vonjimaika arahina anto-bola ho an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Nivoaka ny maraina teo ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ao Port-Louis, momba izany... • Napetraka amin'ny toerana voara-maso ny Jeneraly Ravalomanana Richard, hanohizana ny famotorana azy. Mety hitsena ny taom-baovao ivelan'ny tokantranony ity Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha ity... • Faritra maro no mety hitsena ny taom-baovao 2026 anaty fiavian'orana betsaka, araka ny vinan'ny Météo...

• Ahiana ny fihotsahan'ny vato eny amin'ny vohitr'i Manjakamiadana, noho ny fiavian'ny orana tato ho ato. Nahazo fampitandremana miloko mena noho ny firotsahan'ny orana betsaka rahateo Analamanga... • Mpiasa miisa 800 eo anivon'ny kaompania Air Madagascar sy Tsaradia no rahonana horoahina, raha tsy manaiky ho mpiasan'ny Madagascar Airlines. Nampiseho ny tsy fanekeny izany ny ampahany tamin'ireo mpiasa, omaly... • Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly sy ny Sendika Miray Feo fa tsy nojerena ny sehatra tsy miankina tao anatin'ny roa volana. Nodiana ho fanina ny karaman'ny mpiasa tsy miankina, nefa nasondrotra 14 % mpiampy “prime” ny an'ny mpiasam-panjakana, hoy izy ireo...

• Mpiasa miisa 800 eo anivon'ny kaompania Air Madagascar sy Tsaradia no rahonana horoahina, raha tsy manaiky ho mpiasan'ny Madagascar Airlines... • Tsy mba nojerena ny fampakarana ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina, nefa nasondrotra 14 % ny an'ny mpiasam-panjakana ary mbola nomena “prime”, hoy ny Randrana Sendikaly sy ny Sendika Miray Feo, androany... • Manome tantsoroka amin'ny fampananana asa ny tanora ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Fanamby ny hanome fanofanana arak'asa ny tanora, hifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, raha ny nambaran'ny Minisitra tompon'andraikitra...

• Voasambotra teny Ambohimangakely indray, ilay lehilahy tafatsoaka tao amin'ny fonjakelin'ny Kaomisaria eny Alasora nitazonana azy... • Mbola misy Sinoa tsy voakitika fa manohy ny fitrandrahana volamena, ao amin'ny Faritra Vatovavy, taorian'ny fisamborana ireo teratany Sinoa miisa dimy, hoy ny fikambanana Tafo Mihaavo... • Nihena ny isan'ireo fiara fitaterana naka fahazaon-dalana manokana hivoaka an'Antananarivo, ho an'ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny herinandro teo...

• Napetraka any amin'ny toerana azo antoka mba ho fiarovana ny ainy, ny Jeneraly Ravalomanana Richard... • Tsy maintsy alefa any amin'ny Fampanoavana mahefa, ny antontan-taratasy rehetra momba ity Jeneraly akaiky ny fitondrana ity, rehefa vita ny fanadihadiana, hoy ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Hampihatra ny lalana ho an'ireo minia manao fandikan-dalana ny Polisim-pirenena manomboka izao, fa tsy hijanona amin'ny fanentanana intsony...

Atomboky ny Arofanina amin’ny FARANY ny resaka anio satria ity ny herinandro FARANY amin’ity taona ity, izay herinandro tetezamita hizorana ho any amin’ny taona vaovao 2026. Anio koa no alatsinainy FARANY sy Arofanina FARANY amin’ity taona 2025 ity. Ny fotoana FARAMPARANY tahaka izao tokoa no hanaovan’ny maro ny jery todika tao anatin’ny roa ambin’ny folo volana nodiavina... Mba haka tahaka izany anio ny Arofanina, ka hitodika ivoho hahatsiahy kely ny zava-nisy nanamarika ny tontolo politika teto Madagasikara.

• Tsy azo iverenana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, izay milaza fa manohy ny asany avokoa ny Andrim-panjakana rehetra. Fitadiavan-tseza fotsiny ny an'ireo antoko politika mitaky ny handravana ny Andrim-panjakana rehetra misy ankehitriny, hoy ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka... • Tsy mbola fotoana handraisana fanapahan-kevitra ny hamerenana ny Nosy manodidina izao, fa miandry izay Filoha vaovao voafidim-bahoaka, afaka taona vitsivitsy, raha ny namabran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Tokony hahitsy amini'zao fotoanan'ny fanavaozana izao, ny lalana mifehy ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto amintsika, hoy ny PMH, Mpanjifa Miray Hina...

♦ Fiatrehana ny fetin'ny Noely : Miova kely amin'ny andavanandro, mirona kokoa amin'ny akoho amam-borona amin'ny safidy amin'ny laoka ny fianakaviana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Hiasa hatramin'ny 10 ora alina ireo fiara fitanteram-bahoaka ao Antananarivo-renivohitra mivondrona eo anivon'ny UCTU amin'izao fety izao hoy ny filohany... ♦ Tsy tokony hisy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina mandritry ny fety mitohy hatrany mantsy ny asa famatsiana rano ataon'ireo fiara vaventy hoy ny JIRAMA... ♦ Mangataka ny mba hampitsaharana ny ady mandritry ny fetin'ny Noely ny Ray Masina Léon XIV...

Noho ny adidy sy andraikitra lehibe eo anoloan'ny reny dia maro ny tantsoroka ho an'ireo reny sy ireo ho reny, avy amin'ireo manana traikefa sy ireo mpahay toetr'olona. Ny reny dia manana filàna toa ny olona rehetra, manana zo amin'ny fialamboly. Manana adidy hizara izay handram-piainana efa niainany ny reny ho an'ny zanaka vavy sy ny tanora. ... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tontosa omaly hariva ny fianianan'ireo mpanolotsaina ambony telo vaovao eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Voafaritry ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka ny fanaovana fisavana trano (perquisition), handraisana fepetra ary melohiny ny fanaovana izany tsy mifanaraka amin'ny lalàna... ♦ Hitohy anio ny fandinihan'ny Fitsaràna atsy Maorisy ny momba ilay fangatahana fahafahana vonjimaika nataon'ilay mpandraharaha Malagasy Maminiaina Ravatomanga... ♦ Montréal Canada : Andian-dehilahy nisalotra ankanjonà dada noely sy ireny lutins ireny no nanafika tao aminà tranombarotra lehibe, nangalatra sakafo...

Mandritry ny fidiran'ny mpitarika otronon'ireo pretra miaraka mankalaza sy ny mpanotrona eo amin'ny sorona no hanaovan'ny vahoaka ny tononkira mifanandrify  amin'ny venti-kevitry ny litorjia ankalazaina amin'iny andro iny, izay ilay hira fidirana. Ny tononkira fidirana dia teny avy amin'ny Soratra Masina, fohy mamintina na mampifandray, ny foto-kevitra amin'iny andro fankalazana iny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...