♦ Ny Fanjakàna tokona hotronin'ny Faritra masi-mandidy no vahaolana fa tsy ny Fanjakàna Federaly hoy ny MFM. Nambaran'ny avy amin'ity antoko ity fa tsy sambany no nisy fivoizana fizarazaràna eto... ♦ Manambana hanao fitokonana faobe ireo sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPs. Mitaky ny hamoahana ireo namany nogadraina ao anatin'ny 48 ora izy ireo, omaly... ♦ Sarona ny tambajotra mpaka an-keriny sy maka voamason'ireo zaza varira any Betroka. Olona 15 sy Zandary iray no efa nosamborin'ny mpiambina ny Filohan'ny Fanavaozana hatramin'izao... ♦ Tafakatra hatrany amin'ny 40°C ny hafanana ao Seoul-Corée du sud...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...