---/... Tazana sy tsikaritra ny zoma teo fa niova fomba fiakanjo ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakàna nande niasa. Tsy inona ny antony mahatonga izany, fa mihatra manerana ny nosy ilay didim-panjakana noraisina nandritra ny filankevitry ny ministra ny tapaky ny volana jolay teo, momba ny tokony hanaovan’ny mpiasam-panjakàna tsy an-kanavaka ny fitafy maha malagasy isaky ny andro zoma, afatsy ireo misehatra amin’ny sokajin’asa tsy ahafahana manao izany, toa ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ohatra...
Hevitra nitsiry nandritra ny fanatrehan’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika ny fomban-drazana betsileo tany amin’ny faritra Amoron’i Mania tany moa izy io, ka nanentanany ny mpiasam-panjakàna manerana ny nosy mba hanao ny fitafy maha malagasy mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona lasa teo, fa tsy tokony ho variana amin’ny palitao. Ary dia hita fa nahomby tokoa izany.
Miteraka fanehoan-kevitra samihafa hoan’ny olom-pirenena ihany anefa ity fepetra noraisin’ny mpitondra fanjakàna ity.
Ao ireo milaza fa tsara ny fanapahan-kevitra hanaja ny Maha Malagasy toy ny fanaovana ny kabary na ny lahateny amin’ny teny Malagasy amin’ny lanonam-panjakana, sy ny fitenenan'ny filoha ny teny Malagasy rehefa mitsidika firenena any ivelany any izy. Saingy tsy tokony atao ho fisehoana ivelany fotsiny izany hoy izy ireto ankolafin’olona ireto, fa mba ho latsaka anaty ihany koa ny fomba fisainana sy ny fiainana ny Maha Malagasy, dia ny fitandroana ny soatoavina toa ny firaisankina, ny fifanampiana ary indrindra fa ny fihavanana izay isan’ny tena mampiavaka antsika.
Tsy hita taratra intsony mantsy izany amin’ny ankapobeny. Ny any ambanivohitra na ireo mpandala ny fomba nentim-paharazana ihany mazàna no mbola manao ireny fanamiana maha-malagasy ireny sy ny fitazonana ny kolotsaina maha malagasy.
Misy indray ireo mandray an-tendrony ity fanapahan-kevitra ity ka nilaza fa hiverina hisalaka ve izany isika isaky ny Zoma ? Dia tena fandraisana an-tendrony tokoa satria tsy voatery ny fanaovana salaka ihany no fitafy maha malagasy, fa efa nisy fivoarana izany nandritra ny fanjanahantany sy taty aoriana. Hita amin'ireo raki-tsary, ohatra, fa nisalotra lamba fotsy sy satroka hazondrano ny olona teto afovoan-tany, nialoha ny taona 1960 ary nivoatra nanaraka ny fotoana sy ny fandrosoana ihany koa izany taty aoriana.
Izay eo ihany, fa fanapahan-kevitra ampiroboroboana sy ampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahan’ny Malagasy, indrindra fa ny mpanao asa tanana koa ity fanokanana ny andro zoma hisalorana ny fitafy maha malagasy ity.
Nanome vahana ireo mpiangaly ny taozavatra maneho ny maha Malagasy mantsy izany, amin'ny alalan’ny fampiasana ireo akora vita eto an-toerana sy ny fikarohana ny fomba samihafa entina manitatra izay asa tanana malagasy izay. Tsy vitan’ny fitafy ihany nefa izany, fa ao koa ny taovolo hoan’ny vehivavy malagasy, ohatra.
Porofo izany rehetra izany fa manan-karena amin’ny saina tia mamorona sy tia karokaroka ny Malagasy mpanao asa tanana. Fomba iray entina mamerin-kasina sy mamoha indray ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny olom-pirenena sy ny mpitondra, noho izany, ny fanokanana ny andro zoma ho fianjaikana ny fitafy maha malagasy.
Mila miova fomba fijery isika vahoaka fa tsy misy fampandrosoana azo atao raha tsy miverina andoharano aloha isika, izay vao manaraka ireo fivoarana hafa hita fa mampivoatra sy mampandroso.
Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanàna, hoy isika malagasy, fa antoka iray ahafahana mampandroso ny firenena iray io fanajana sy fitanana ny kolontsainy io. Soa fianatra amin’izany, ohatra, ry zareo sinoa sy ny japoney.
Tsy tokony ho gaga àry isika raha mahita Sekoly katolika manokana andro iray hitondran’ny mpianatra ao aminy fitafy maha malagasy any an-tsekoly, toy ny fanaovana fitafy mihaja isan-kerinandro entina any an-tsekoly sy ny aron’akanjo fanao andavan’andro... Koa maninona raha mba ny lehibe ihany koa no manokana andro iray isan-kerinandro hitondrana fitafy malagasy? Ny fitafy maha malagasy mantsy dia akanjo sy lamba nentim-paharazana maneho ny kolontsaina, ny tantara ary ny maha-izy ny vahoaka malagasy. Sady fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ary ny rehetra ho tia ny kanto sy ny maha Malagasy azy izany, no entina ireharehana sy hivoizana ihany koa ilay fiteny hoe: “gasy ka manja ” e.