--- Fako misavovona etsy sy eroa. Loto manerana ny tanàna. Toa lasa tandra vadin-koditra ho an’ny renivohitr’i Madagasikara rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao ny fivangongoan’ny fako sy ny fiparitahan’ny loto manerana ny tanàna. Miha mafy ary mampiteny ny moana ny loto sy ny fofona ratsy. Miteraka fimenomenomana hoan’ny olom-pirenena izany, saingy toa efa homamiadana mikiky ny taolan’andavan’androm-piainan’ny mponina, ka toa
tsy ahitam-bahaolana mihitsy, na koa sanatria misy mahazo tombotsoa amin’izany ka atao mihitsy izay tsy hahavaha ny olana ?...

Voalaza ombieny ombieny fa ny fiakaran’ny tahan’ny olona mifamezivezy, ny vanim-potoam-pahavaratra, ny fitobaky ny voankazo toy ny litchis sy ny manga no mahatonga ny fiparitahan’ny fako sy ny loto. Raha ny atontanisa avy eo anivon’ny Société Municipale d’Assainissement na ny SMA, izay rafitra misahana ny fanadiovana sy ny fandraofana fako eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, hoan’ny taona 2024, dia manodidina ny 600 sy Arivo metatra tora-telo isan’andro ny fako raofin’izy ireo. Manodidina ny 180 hatramin’ny 200 isan’andro ny fivezivezena ataon’ireo andiana kamiao miisa 30 hampiasan’ny SMA. Manana ekipa miisa 750 miasa tsy ankiato amin’ny fandraofana sy fitanterana ny fako ity orinasa eo ambany fiadidian’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity.

Olana maro no hateraky ny fiparitahan’ny fako sy ny loto raha tsy hilaza afa tsy ny olana ara-pahasalamana eo amin’ny taovam-pisefoana, ny aretin- koditra isan-karazany, ny areti-maso vokatry ny fahalotoan’ny rivotra, ny aretim-pivalalana sns...

Tsy hitondra tsikera sy fanakianana fotsiny fotsiny ny Arofanina, fa mitondra ihany koa ny tolo-kevitra ahafahana manarina ny lesoka hoan’ireo rehetra mahatsiaro ho manana andraikitra.

Voizina ankehitriny ny resaka fiovana sy fanavaozana. Tokony ho fantatry ny olom-pirenena tsirairay fa miainga amin’ny fomba fiaina, ny fomba fisainana ary ny fandraisana andraikitra ny fiovana ary miitatra tsikelikely eny anivon’ny fokontany, ny kaominina, ny distrika, ny faritra ary ny firenena iray manontolo. Ny fanabezana sy ny fanentanana koa no tsy ampy e. Ka mila hamafisina amin’ny isam-batan’olona fa rehefa samy mandraoka sy mitondra ny fakony any an-tranony avy ny rehetra ka manary sy mandoro izany, dia azo hinoana fa hihena ny fako sy ny loto miparitaka. Aoka ihany koa ny olom-pirenena mba samy hanadio ny tandrify azy e. Raha ilaina, dia aleo omena sazy henjana mihitsy ireo tsy mahavita manadio sy manala ireo loto nataony. Amin’ny an-kapobeny mantsy dia isika samy isika ihany no mandrora mitsilany amin’ny fanaparitahana sy fanariana fako manerana ny tanana. Manentsika ny lakan-drano ireny fako ireny. Ka tsy tokony himenomenona isika raha miakatra ny rano maloto na dia ora vitsy monja aza hisian’ny rotsak’orana.

Inona ihany koa no manakana antsika vahoaka sy mpitondra tsy hampitombo ny fanodinana ireo fako e ? Maro mantsy ireo voka-pikarohana efa nampahafantarina ny fisiany amin’ny alalan’ny fanodinana fako, toy ny fahazoana herinaratra, ny fanamboarana zezika enti-mamokatra, ny fanamboarana entona fandrehitra sns... Hatramin’izay dia natao fitaovana politika hoan’ireo mpirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanana ao Antananarivo renivohitra ny olan’ny fandraofana ny fako sy ny fanadiovana ny tanana. Nisy tamin’ny mpitondra teo aloha mihitsy no nahasahy nanao fanamby ny hanaterana any aminy ny fako raha sanatria tsy voaraoka izany.

Ny tena mahonena koa anefa dia ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa misahana ny fandraofana ny fako na ny SMA. Vao tsy ela akory mantsy izay no nitokona tao anatin’ny 4 andro izy ireo nitaky ny mba handoavana ara-potoana sy hampiakarana ny karamany. Raha jerena amin’ny asa sahanin’ireto farany, dia ara-drariny ny fitakiana satria loto sy fakon’ny vahoaka no kirakirain’izy ireo isan’andro, manao sorona ny fahasalamany amin’ny fanadiovanana ny tanana, anefa toa hambaniana sy tsy omena ny tambiny sahaza an’izany izy ireo. Eto am-pamaranana dia tsaroana ilay fomba filazan’ny Ntaolo taloha hoe : "ny toerana na ny tanàna na ny trano maloto tsy misarika fanambinana ho an’ireo mitoetra ao aminy" Dia lasa ny eritreritry ny Arofanina hoe sanatria dia noho isika manana ny renivohitra isany maloto indrindra maneran-tany tokoa ve no mahatonga antsika ho isany mahantra ambony harena ? Asa aloha izay avalinao mpihaino an’izany, fa eo am-pandinihana izay ho valin-teninao dia hamafisina hatrany fa miainga amin’ny tsirairay ny fiovana ary rehefa tsy mandoto ve moa tsy naman’ny efa manadio e

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...