Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina vao nisy ity lahabolana ity, fanao amin'ny mpanjaka. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika...