Manao hetsika hanentanana ny vehivavy hiatrika ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny ao amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Fikambanana nijoro tany amin’ny taona 2016 saingy nohavaozina ny taona 2024. Nizara fahalalana hoan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana momba ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana ny amehana ara-toetr’andro eran-tany androany ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Tamin’ny alalan’ny Atrik’asa fifampizarana no nanehoana izany....

Isan’ny tafiditra amin’ny toejavatra atrehana eran-tany mantsy ny amehana ara-toetr’andro mifanindran-dalana amin’ny ady sy ny fifandirana, ny fahaverezan’ny karazan-java-manan’aina, ny fandotoana tontolo iainana, ny fanamby amin’ny fampandrosoana…

Vao mainka hihamafy ny toe-java-misy hoy ny AFCD manoloana ny tranga El Nino, izay fihafahanan’ny ranomasina any amin’ny ranomasina pasifika ka hisy fiatraikan’ny amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Hihamafy hatrany ny voka-dratsiny na ara-toekarena, ny ara-tsakafo, ny ara-tsosialy, ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.

Manaitra ny rehetra hihomana manoloana izany ny mpahay siansa, ka isan’izany i Madagasikara. Isan’ny tena marefo amin’ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro ny vehivavy eto amintsika ka nahatonga ny AFCD nikarakara ity atrik’asa fifampizarana ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...