♦ Fikaonan-doham-pirenen'ny tanora : Hanaovan'ireo solontena tatitra ny fakan-kevitra niainga teny anivon'ny Kaominina, Distrika ary Faritra, halototra ny fitondram-panjakàna amin'ny 1 aogositra izao ny fehi-kevitra tapaka... ♦ Tanterahina rahampitso alakamisy 30 jolay ny sidina voalohany famerenan-jotra eo amin'ny zotra an'habakabaka mampitohy an'i Madagasikara amin'ny Nosy Comores... ♦ 1,1% amin'ny vehivavy mitondra vohoka no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina VIH Sida eto Madagasikara, miova manaraka izany ny fepetra raisina hisorohana ny fiparitahan'ny aretina...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...