---/... Dila tokoa iny ny andro iray izay niaraha-niombona sy nanehoana ny hoe fisaonam-pirenena. Tsy afa-nidify tamin'izany koa fa niombom-po tamin'ireo Malagasy ny AROFANINA. Marary mantsy izany hoe zanaka, havana, mpiray tanindrazana nivoaka ny trano dia tsy hita... saingy afaka andro vitsy...efa vatana mangatsiaka. Dia hanao ahoana ny ho tohiny, hoy ny Arofanina, nandingan-davitra, satria efa miverina sy manohy ny andavanandrom-piainany indray ny rehetra? Tena ilaina aloha ny fahamailoana miainga amin'ny tsirairay satria ady iraisan'ny vahoaka tsy an-kanavaka ity raharaha mitranga ity...
Tsy ankinina amin'ny mpitondra samirery fotsiny, fa efa zava-dehibe ny fandraisany andraikitra amin'ny alalan'ny fametrahana ireo rafitra samihafa iadiana amin’ity fahaverezan’olona sy famonoana olona ity. Isan'ireny ny fananganana ilay ivon-toeram-pibaikoana mandrindra ny ady atao amin’ny tsy fahitana olona. Dia tena izay tokoa ve anefa? Dia tena miasa koa ve ireo nomena andraikitra? Ambara mantsy fa hoe misy ireo voasambotra, eo koa ny hoe mandeha ny fandraisana andraikitra...Mila ho ketraka anefa ny olompirenena manomboka ny alatsinainy hatramin'ny alahady.....mbola mandre sy mahita ireo filazana miaro ombay mitady.
Tena mampivarahontsana, raha tsiahivina, ny antontan’isa nomen'ny Polisim-pirenena ho an'ny enim-bolana voalohany tamin'ity taona ity satria nahatratra 172 ireo filazana olona very. Efa tafakatra 256 indray izany raha ny tatitra amin’ireo olona nanaovana filazana fikarohana nomen'ny minisitry ny fitsarana, ny faran'ny herinandro teo. Raha atao kajy tsotsotra anie izany dia ahitana filazana olona tsy hita foana saika isan'andro e! Efa niakatra fitsarana, hoy hatrany Rtoa minisitra, ny 12 amin'ny 30 amin'ireo raharaha momba ny fahaverezan'olona.
Saro-pady sy tena mila fahamalinana tokoa ny fanadihadiana, ny famotorana sy ny fitsarana. Mazana aza moa ny raharaha toa sarontsaronana amin'ny hoe tsiambaratelom-pamotorana. Ny tsy azo lavina anefa dia toa efa fombantsika koa ilay mikoha-maina, mainka fa hisy sery anilihana. Dia laroina resaka politika eo ny raharaha, hany ka very an-javony any ny ho tohiny rehefa tsy te hiasa loha noho ny fitadiavana izay efa manahirana azy ramalagasy. Mampametra-panontaniana, hoy ny Fivondronamben'ny eveka eto Madagasikara, tamin’ny fanambarana nataony farany teo, hoe iza no mahazo tombontsoa amin'izao zotra iarahantsika malagasy izao....ary tsy ny famonona zaza na ireo olona marefo na oviana na oviana koa no hanala antsika amin'izao fahantrana lalina izao.
Hiaraha-mahita fa tena manao an'androny raha ny fizotran'ny fanadihadiana amin'ny tranga iray eto amintsika. Misy ireo haingam-pandeha, fa ao koa ireo mihisatra. Tsy hamoha fota-mandry ny AROFANINA, fa haka ohatra akaiky. Mbola tavela mandraka ankehitriny, ohatra, ny alok'ilay teny Ambohimalaza...tsingerin-taona mainty. Dia indro miampy ny fiandrasana izay tena marina sy ho valin'ny famotorana hamantarana izay tena ambadik’izao olona tsy hita sy vono olona izao indray. Hivoaka hiseho masoandro ho fanta-bahoaka ve sa any dia tsy hita?
Eo am-piandrasana ny valiny dia hoy ny Arofanina hoe: fantaro fa tsy voatery fitakiana vola no mahatonga ny halatr’olona, na koa ilay fanaovana sorona...fa eo koa ny valifaty sy ny fandosirana noho ny disadisam-pianakaviana.
Mety hevitry ny maika hahita vokatra sy manana ny marary tokoa mantsy ny hoe andao andao izay, mety hahavery entana....Fa rehefa tena milona koa anefa anie ny famotorana....dia tsy mahandry ny manan-drahara ary tsy mifampatoky intsony... ka sanatria ahiana ho tonga any amin’ny tondro molotra sy fitsaram-bahoaka. Arofanina lehibe koa anefa raha tsy asiana tombo sy ala ireo voaporofo fa ho tompon’antoka amin’izao fahaverezana olona mampihorohoro izao.
Ny andraso andraso koa hono anefa maha hariva andro. Ka fotoana angamba izao hanovàna ny famindra amin'ny hanafainganana ny dingam-pamotorana. Apetraka ihany mantsy ny Arofanina satria mbola tsy lany daty hatramizao.... ilay tononkalo malazan’i Rado tsy hita fiafarany hoe:....EFA ATAO NY FAMOTORANA.