Maro amintsika no efa mahalala ny voka-tsoa avy amin’ny ravintsara fantatra amin’ny anarana ara-tsiansa hoe : Cinnamomum camphora. Manasitrana aretina maro noho ireo singa ahafahana mitsambo hita ao anatiny ity zavamaniry iray ity. Manadio ny tontolo iainana. Loharom-bola fanampiny ho an’ny tokantrano ho an’ireo vehivavy mamboly azy araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vovonana Ravintsara Dokotera Razafinakanga Alice.
15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.
14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.
13 marsa — I Rodrigue dia pretra espagnol, teraka tao Cabra akaikin'i Cordoue Espagne. Nohamasinina ho pretra izy ka natao miafina ny fanamasinana azy satria mbola nobaboin'ny Sarrasins ny toerana nisy azy ireo tamin'izany fotoana izany.
(12-03-2020) Aza mba matahotra eo anatrehan'ny marina.
12 marsa — Mety ho gaga ianao fa matetika miverimberina ny anarana hoe Grégoire. Maro tokoa ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Grégoire fa amin'ity andro anio ity dia i Grégoire Lehibe na ny papa Grégoire le Grand no ankalazain'ny Fiangonana.
11 marsa — I Masimbavy Rosine dia martiry mpanirery tany amin'ny taonjato voalohany tany. Najaina tany Souabe nanomboka tamin'ny taonjato faha-14 izy io ary mpiaro ny tananan'i Wendlingen ao Allemagne.
Tsy ny vehivavy ihany no mandalo dingam-piainana eo amin'ny fahasalamana ara-pananahana, fa ny lehilahy ihany koa, rehefa tonga amin'ny sehatra maha zokiolona. Ho an'ny vehivavy dia ilay antsoina amin'ny teny Frantsay hoe : ménopause ; ary ho an'ny lehilahy kosa dia ilay antsoina hoe : andropause. Mihena ny fiasan'ny taovam-pananahana. Hita soritra amin'ny fiovana eo amin'ny fivalanan-drano izany, sy ny tsy fahafahana manatanteraka firaisana ara-nofo araka ny tokony ho izy intsony.
10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.
Sabotsy 21 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14 — Hitsangana aho ho any amin'ny raiko, ka hanao aminy hoe : Dada ô, nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho.
Zoma 20 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
Alakamisy 19 marsa 2020 — Masindahy Josefa, vadin'i Maria Virjiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 16. 18-21. 24a — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco