10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.

Lasa saro-piaro noho izany fihetsiky ny Amperora izany i Théodora vadiny. Mba hialan'i Anastasie amin'ity fihetsiky ny Amperora ity dia nanova fitafy izy, nanao fiakanjon-dehilahy ka lasa nanalavitra ny tanana sy nadeha nitoka-monina. Nandritra ny enin-taona izy dia niaina tao anatin'izany saron-tava izany tany Alexandrie. Tao aorian'izay dia tratran'ireo iraky ny Amperora Justinien indray izy. Nandositra anefa izy ka nandeha nitoka-monina nanirery tany amin'ny efitr'i Scété ary nitondra ny anarana hoe Anastasia l'Eunuque.

Nandritra ny 20 taona teo ho eo izy no niaina tao ary nodimandry ny taona 567. Tsy mba nilaza ny momba azy ny lehiben'ny trano fitokana-monina raha tsy efa 15 taona tao aorian'ny nahafatesany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 jolay 2026

• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...